Mampandresy antsika tsy hanota i Kristy - Christ helps us say no to sin

Published on 27 February 2024 at 13:22

Nankatò ireo fitakian'ny lalàna rehetra i Kristy (... ) Nanome fomba handresena ny fahotana rehetra sy hanoherana ny fakam-panahy rehetra, na toy inona na toy inona herin'izany, ny drafi-panavotan'Andriamanitra. Izao no voasoratra: « Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra, dia miaro ny tenany* ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. [* Na: Ilay naterak'Andriamanitra no miaro azy] » (1 Jaona 5:18) ary koa « Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitœtra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra. » (1 Jaona 3:9)

 

Noho I Jesosy nankato, tsy mba niaina fahotana,

Dia ho azontsika atao koa, ny tsy manota, tan-dalàna.

Raha toa ka sitrapo voasarona, ho amin’ny sitrapon’ny Tompo,

Ny safidy izay akarina, amin’ny fo tena manompo.

Raha manaiky sy mitandro, ny tari-dalany isika.

Dia hanoro lalana isan’andro, ny Fanahy izay omeny antsika

Ka manjary tafaray amin’ny Azy ny fisainana,

Ny eritreritra amin’izay, dia Jesoa no antom-piainana.

Tsy misy ny fanamelohana, satria efa ao amin’I Kristy,

Fanamarinana no hiantohany, ho an’ny fo izay tena tia.

Amin’izay ny Tompo raha mijery, izay rehetra momba antsika,

Dia ny Tenany irery, no indro tazany ao amintsika.

 

Because Jesus lived each day so true,
He never chose the wrong or lie;
So through His strength, both me and you
Can turn from sin and live nearby.

When we submit our will to God,
And choose His way in all we do,
Each step we take upon this road
Is shaped by hearts both strong and true.

If we will listen, trust, and stay
Within the path His Spirit shows,
He guides our lives from day to day
And helps us grow where goodness flows.

Our minds line up with Christ above,
Our thoughts are changed, our goals made clear;
We live for Him, we walk in love,
With Jesus always close and near.

No guilt remains for those who stand
Inside of Christ, made clean and free;
His grace has washed us by His hand—
He gives us new identity.

When God looks down and sees our life,
And all the things we try to be,
He sees His Son who won the fight
Alive and strong inside of me.

 

NA INONA NA INONA TSINDRY MITAMBESATRA AMIN'NY FANAHY, DIA ASA MIANKINA AMIN'NY SAFIDINTSIKA MANOKANA NY HANDIKA LALÀNA. NA NY TANY NA NY HELO DIA TSY MANANA FAHEFANA HANERY ANTSIKA HANOTA. TSY MAINTSY HO NANAIKY HANAO IZANY ISIKA, ARY NILEFITRA TEO AMIN'NY FAHOTANA NY FO, RAHA TSY IZANY DIA TSY HANDRESY NY FAHAIZA-MANDANJALANJA NY FIREHETAM-PO, ARY TSY HANDRESY NY FAHAMARINANA NY FAHOTANA. TSY ILAINTSIKA NY HITANA IREO FIRONANA FENO FAHOTANA AO ANATINTSIKA NA DIA IRAY AZA (...) REHEFA MIRAY AMIN'NY FOMBAN' ANDRIAMANITRA ISIKA, DIA VOAISOTRA TSY HO AO AMIN'NY TOETRANTSIKA NY FIRONANA NOLOVANA TAMIN'NY RAZANA SY IREO NAMBOLENTSIKA, ARY TONGA HERY VELONA HIASA HO AMIN'NY TSARA ISIKA. MIARA-MIASA AMIN'ANDRIAMANITRA ISIKA HANDRESY NY FAKAM-PANAHIN'I SATANA AMIN'NY FIANARANA MANDRAKARIVA EO AMIN'LLAY MPAMPIANATRA AVY ANY AN-DANITRA SY AMIN'NY FIRAISANA AMIN'NY FOMBANY. MIASA ANDRIAMANITRA ARY MIASA KOA NY OLONA, MBA HAHATONGA NY OLONA HO IRAY AMIN'I KRISTY TAHAKA AN'I KRISTY IRAY AMIN'ANDRIAMANITRA. REHEFA IZANY DIA HIARA-MIPETRAKA AMIN'I KRISTY ANY AN-DANITRA ISIKA. AMIN-TOKY SY FIADANANA NO ITOERAN'NY FANAHINTSIKA AO AMINY

Add comment

Comments

There are no comments yet.