NY FANOMEZAM-PAHASOAVAN'NY FAMINANIANA

FAMPIDIRANA

Ny Fanomezam-pahasoavan'ny Faminaniana

Nanomboka nahatakatra bebe kokoa ny fahaizan’ny zazakely amin’ny fianarana teny ny mpahay siansa momba ny ati-doha (neuroscientists). Rehefa enim-bolana monja ny zazakely iray, dia efa afaka mamantatra sy mahatakatra ireo feo mandrafitra ny teny anglisy, na ireo teny avy amin’ireo fiteny tenenina mihoatra ny 7 000 maneran-tany. Raha ampahafantarina azy ny fiteny faharoa, dia afaka mianatra izany fiteny izany koa izy.

Mandritra io vanim-potoana io, dia toy ny misy varavarana ara-tsaina mistery misokatra ao amin’ny sain’ny zazakely, ka ahafahany manavaka ireo feo 40 eo ho eo izay matetika mandrafitra ny fitenin-drazany, amin’ireo feo 800 samihafa izay azony tsapain-tanana hatramin’ny nahaterahany. Saingy misy fepetra iray: tsy maintsy iresahana ny zazakely. Azo lazaina hoe lesona voalohany amin’ny feo sy fiteny ho an’ny zaza vao teraka izany.

Nahoana Andriamanitra no namorona antsika hanana izany fahaizana mahatalanjona izany amin’ny fandrenesana sy fianarana teny, raha tsy nikasa ny hiresaka amintsika Izy?

Mazava ho azy fa fanontaniana mitaky valiny efa fantatra izany. Satria hoy ny Baiboly:

“Andriamanitra, izay niteny tamin’ny razantsika fahiny, tamin’ny fotoana maro sy tamin’ny fomba maro, tamin’ny alalan’ny mpaminany, dia efa niteny tamintsika amin’izao andro farany izao tamin’ny alalan’ny Zanany, izay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, ary Izy koa no nanaovany izao tontolo izao.”
— Hebreo 1:1–2

Rehefa nandrava ny fifandraisana akaiky teo amin’i Adama sy Eva tamin’Andriamanitra ny fahotana, dia tsy nanary azy ireo Andriamanitra, ary tsy namela azy mivady lavo hirodana sy handrava ny tenany. Fa Izy mihitsy no nitady azy ireo, ka nanontany an’i Adama hoe:

“Aiza ianao?”
— Genesisy 3:9

Avy eo dia nanambara faminaniana momba ny fahatongavan’Ilay iray izay hamonjy izao tontolo izao amin’ny fahotana Izy (Gen. 3:15).

Hatramin’ny niandohany, dia teo amin’ny Edena, taorian’ny Fahalavoana, ny faminaniana dia nanandratra an’i Jesosy ary nitarika ireo mpanota ho Aminy, satria Izy irery ihany no fanantenan’izy ireo.


Ny zavatra hianarantsika amin’ity telovolana ity

Amin’ity telovolana ity dia hianarantsika ny momba ny fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana—izany fomba mahatalanjona noforonin’Andriamanitra izany mba hampitana ny sitrapony sy ny lalany amin’ny olombelona lavo, izay tsy afaka mifandray mivantana sy mifanatrika Aminy intsony.

Io fanomezana manokana avy amin’ny Fanahy Masina io dia voalaza misongadina ao amin’ny:

  • 1 Korintiana 12
  • 1 Korintiana 14
  • Efesiana 4
  • Romana 12

Ny Fanahy Masina no Mpizara lehibe izany sy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy rehetra, satria:

“Fa izany rehetra izany dia ataon’ny Fanahy iray ihany, ka Izy no mizara amin’ny olona tsirairay avy araka izay sitrapony.”
— 1 Korintiana 12:11

Nandritra ny tantara, ireo olona nomena fanomezam-pahasoavana ara-panahy dia nampita hafatra avy amin’Andriamanitra mba hamerenana sy hanavaozana ny fifandraisan’ny olombelona amin’Andriamanitra, tahaka ny nataon’Andriamanitra tao Edena taorian’ny Fahalavoana.


Ahoana no iantsoan’Andriamanitra ny mpaminany?

Hianarantsika ny fomba iantsoan’Andriamanitra ny mpaminany, ary koa ny fomba ahafahantsika mitsapa sy mamantatra raha tena mpaminany marina izy ireo.

Ho hitantsika ihany koa:

  • ny fitoviana sy ny fahasamihafana misy eo amin’ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha sy ireo ao amin’ny Testamenta Vaovao;
  • ny fomba fiasan’ny fanambarana (revelation) sy ny fitaomam-panahy (inspiration) eo amin’ny fiainan’ny mpaminany;
  • ny fomba samihafa ampiasain’Andriamanitra hampitana ny hafany.

Ny mpaminany sasany dia niteny, ny sasany kosa nanoratra, ary ny sasany dia nanao izany roa izany.

Hodinihintsika koa ireo fomba hafa ampiasain’Andriamanitra hifandraisana amin’ny olombelona, ny hevitr’izany, ary ireo fitahiana azo avy amin’ny fankatoavana ireo hafatra nampitain’ny mpaminany.


Ireo tanjona dimy lehibe ampiasan’Andriamanitra ny fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana

Mampiasa ny fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana Andriamanitra noho ny antony lehibe dimy:

1. Hampahafantatra ny Tenany, ny fahamarinany ary ny sitrapony amin’ny olombelona lavo.

2. Hanome fahatakarana sy torohevitra momba ireo zava-dehibe sy tranga hitranga.

3. Hanomana sy hampitaovana ny tenan’i Kristy—izany hoe ny Fiangonana—ho amin’ny iraka nampanaovina azy.

4. Hanome fampaherezana ara-panahy ho an’ireo mpanara-dia Azy.

5. Hamoha ny fon’ny mpanota sy hiantso azy ireo hibebaka.

Ankoatra izany, ny “fanahin’ny faminaniana” dia iray amin’ireo famantarana roa mampiavaka ny fiangonan’Andriamanitra sisa amin’ny andro farany (Apok. 12:17; 19:10).


Ny fanomezam-pahasoavana ho an’ny andro farany

Tena maniry ny hitarika soa aman-tsara ireo very hiverina any an-trano Andriamanitra, ka izany no mahatonga ny fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana mbola omena amin’ny andro farany koa (Joela 2:28–31).

Ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia mino—ary manana antony matanjaka iorenan’izany finoana izany—fa Ellen G. White, izay iray tamin’ireo nanorina ny Fiangonana, dia nampiseho tamin’ny andron’ny maoderina ny fiasan’io fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana io.

Izany no antony, ankoatra ny fianarantsika ny fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina, dia isaky ny Zoma ihany koa no handinihantsika ny fizotry ny fiantsoana an’i Ellen G. White ho amin’ny asa fanompoana ara-paminaniana.

Isika amin’ny maha-Fiangonana antsika dia nomena izany fanomezana mahafinaritra izany. Koa ahoana no fomba tsara indrindra hampiasantsika azy?


Mila mihaino ny tenin’Andriamanitra isika

Eny, hatramin’ny fahazazantsika dia natao ho amin’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny teny isika. Mila iresahana isika mba hivoatra sy hianatra.

Koa zava-dehibe tokoa ny mihaino izay lazain’ireo mpaminanin’Andriamanitra amintsika!


Momba ity Torolalana Fianarana Baiboly ity

Ity Torolalana Fianarana Baiboly ho an’ny Sekoly Sabata ho an’ny Olon-dehibe ity dia novokarin’ny ekipan’ny asa fanompoana ao amin’ny White Estate, izay any Silver Spring, Maryland.

Amin’ny alalan’ny fampahafantarana sy fizarana amin’izao tontolo izao ny asa fanompoana ara-paminanian’i Ellen G. White sy ireo asa sorany, ny Ellen G. White Estate, Inc. dia manohana ny iraka ampanaovina ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito—dia ny hanandratra an’i Jesosy Kristy sy ny Teniny.

FANAFOHEZAN-TENY AMPIASAINA MANDRITRA NY FIANARANA

ARSH Adventist Review and Sabbath Herald

PM Patriarika sy Mpaninany/Patriarchs and Prophets, EGW

b. boky

CWE Counsels to Writers and Editors, EGW

RH Review and Herald, EGW

SL The Sanctified Life, EGW

SDABC Seventh-Day Adventist Bible Commentary

DIEM Madagasikara Dikanteny lombonana eto

ST The Signs of the Times, EGW

DHK Ny Dia ho eo amin'i Kristy/ Steps to Christ, EGW

TF Ny Tantaran'ny Fanavotana / The Story of Redemption, EGW

ed Edisiona

EGW Ellen Gould White

TFC Testimonies For the Church, EGW

TFM Torolalana ho amin'ny Fahaizamitantana/Counsels on Stewardship, EGW

Ev Evangelism, EGW

FK Fanabeazana Kristianina/Education, EGW

TlK Talohan'i Kristy

FLB The Faith I Live By, EGW

GAG God's Amazing Grace, EGW

Trk Taorian'i Kristy

HM Hery Mifanandrina/ The Great Controversy, EGW

TT Testamenta Taloha

TV Testamenta Vaovao

IFM Ilay Fitiavana Mandresy/ The Desire of Ages, EGW

t. takila

tt. takila roa fara fahakeliny

UL The Upward Look, EGW

L Letter, EGW

VM Vavolombelona Mahery/The Acts of

LU Lift Him Up, EGW

the Apostles, EGW

Ms Manuscript, EGW

Natontan'ny Trano Pirinty Advantista Soamanandrariny

BP 1134 Antananarivo 101 Lalam-pirenena mankany Toamasina (RN2), PK6 Tel. 037 37 11044-037 37 107 25-034 86 606 99 mail impriad@mea.adventist.mg

Voatolotra ara-dalana: DL: 860-D/03.26 Ny natonta: 14 800 isa

Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA

Sabata 10 OKTOBRA 2026 - FAMPIDIRANA

Fampidirana - IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA

Hodinihina mandritra ny herinandro:

Jak. 5:17,18; 1 Mpanj. 19:1-16; 1 Mpanj. 22:1-14; Eks. 15:20; 2 Mpanj. 22:11-14; Jer. 14:1-15.

Tsianjery

"Dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy hianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra hianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina hianareo." - 2 Tant. 20:20

Ny GPS (Global Positioning System) dia manampy ny mpandeha hahafantatra ny toerana misy azy sy izay halehany, ary manome fampitandremana momba ny loza mety ho tojo azy eny an-dalana koa aza. Toy izany koa, ireo mpivahiny ara-panahy izay mizotra ho any an-danitra dia mila fitarihana avy amin'ilay "rafitra fanoroan-dalana" avy any an-danitra, na amin'izao fotoana izao na amin'ny hoavy. Fomba iray nanaovan'Andriamanitra izany tamin'ny andro fahiny ny nanirahany ireo mpaminany tao amin'ny Testamenta Taloha. Ao anatin'ny tantaran'izy ireny, ny fananarany, ny faminaniany sy ny tononkalony ary ny hirany no ahitantsika zavatra maro momba ireo mpaminany am-polony izay nitondra ny hafatr'Andriamanitra ho an'ny vahoakany.

Ny lesona amin'ity herinandro ity dia handinika ireo filazalazana momba ny mpaminany ao amin'ny Testamenta Taloha, izay manampy antsika hahatakatra ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana araka ny nisehoan'izany teo amin'ireo mpanompon'Andriamanitra sasany ireo.

Ho hitantsika fa olona tahaka antsika ihany izy ireo: marefo ka mety ho azon'ny tahotra, mety hahatsapa fahatezerana sy fahakiviana. Tsy mora ny fiainan'izy ireo fa feno zava-tsarotra sy fahoriana, tahaka ny fiainan'ny olona rehetra ihany.

Inona àry no azontsika ianarana amin'ny fandinihana ny fiainan'ny sasany amin'ireo mpanompon'Andriamanitra izay nantsoiny manokana ireo?

Alahady 11 OKTOBRA 2026 - OLOMBELONA NY MPAMINANY

OLOMBELONA NY MPAMINANY

Hitantsika tamin'ny herinandro ny nampiasan'Andriamanitra an'i Elia mpaminany hanao asa lehibe tany Isiraely, na dia teo aza ny fanoherana nivaivay. Tsy mampino tokoa izay nataon'i Jehovah tamin'ny alalany. Kanefa, inona no voalaza momba azy?

Saintsaino ny teny nentin'i Jakoba niresaka momba an'i Elia mpaminany, ao amin'ny Jak. 5:17,18. Inona no tiany hambara amin'ny filazana fa "olona tahaka antsika ihany" i Elia?

 

 

Fandresena sy fahombiazana lehibe no azon'i Elia teo an-tendrombohitra Karmela (1 Mpanj. 18). Niasa tamin-kery tamin'ny alalany Andriamanitra, ary ny iray amin'ireo fahagagana mahatalanjona indrindra voarakitry ny Testamenta Taloha no niseho tamin'izay: tamin'ny tenin'i Elia ihany dia nilatsaka ara-bakiteny avy any an-danitra ny afo (1 Mpanj. 18:38)! Tokony ho faly indrindra ity lehilahin'Andriamanitra ity taorian'ny zava-nitranga lehibe tahaka izany.

Vakio ny 1 Mpanj. 19:1-16. Inona no ambaran'izany momba ny toe-pon'ilay mpaminanin'i Jehovah?

 

 

"Aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô, fa tsy tsara noho ny razako aho." - 1 Mpanj. 19:4. Toy ny olona tratry ny fahaketrahana ara-tsaina no manao izany teny izany. Nahoana? Eny tokoa, tsy mora tokoa ny manohy ny asa taorian'izay nitranga teo an-tendrombohitra Karmela; kanefa, misy zavatra hafa koa mitranga eto.

Angamba ao amin'ireto teniny ireto no ahitana ny valin'izany: "Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy." - 1 Mpanj. 19:10. Toa mitaraina noho izay heveriny ho tsy fahombiazany teo amin'ny asa fanompoana nataony izy. Mbola nitohy ny fihemorana na dia niezaka mafy araka izay tratry ny heriny aza izy, toy ny hoe izy irery no afaka nampitsimbadika ny toe-java-misy. Na inona na inona tena nitranga teto, dia hitantsika ny maha olombelona sy marefo an'ity lehilahin'Andriamanitra ity. Raha lazaina amin'ny teny hafa, "Elia dia olona tahaka antsika ihany."

Nahoana no mora amintsika indraindray ny mahatsapa fa toa "tsy mahomby" isika eo amin'ny fiainana na ny tetikasantsika? Inona ny teny fikasan'ny Baiboly azonao takina mba hanampy anao handresy ny fahakiviana?

Alatsinainy 12 OKTOBRA 2026 - NY HAFATR'I ELIA

MAMANTATRA NY ATAO HOE MPAMINANY MARINA

Tany am-piandohan'ny tantaran'ny Isiraely dia efa nisy ny porofo momba ny fisian'ny mpaminany sandoka (Deo. 18:20). Araka izany, dia tsy navelan'Andriamanitra tsy hanana tari-dalana ny vahoakany mba hahafantaran'izy ireo izay tena mpaminaniny marina.

Mpandray ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra ny mpaminany, ka ny tena mpaminany marina dia mampita ny hafatr'Andriamanitra amim-pahatokiana sy amim-pahamarinana ary amim-pahitsiana, na dia hahatonga azy tsy ho tian'ny mpanapaka sy ny manam-pahefana aza izany indraindray.

Vakio ny 1 Mpanj. 22:1-14. Inona no ambaran'ireo andalan-teny ireo mikasika ny fomba fiasan'ny mpaminany mahatoky?

 

 

Ny filazan'ny mpanjaka momba ny mpaminany iray hoe: "halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany" - 1 Mpanj. 22:8, dia milaza zavatra betsaka momba ilay mpanjaka, ary milaza zavatra betsaka kokoa momba ilay mpaminany. Hita fa olona tsy mba natahotra ny hilaza ny marina izy, na dia amin'ny mpanjaka aza. Ary mazava loatra fa tsy hahazo sitraka amin'ny mpanjaka izy noho izany.

Nijoro irery manoloana ireo mpaminany sandoka efajato i Mikaia raha nanambara ny fahamarinana izay nambaran'Andriamanitra taminy. Na dia noterena hanova ny vaovao ratsy avy amin'i Jehovah aza izy mba hamalifaliana an'i Ahaba mpanjaka ratsy fanahy sy i Jezebela vadiny (1 Mpanj. 22:13,14), dia ny fahamarinan'Andriamanitra ihany no nolazainy, na ahoana na ahoana no handraisan'ny olona izany.

Vakio ny 1 Sam. 9:3-14. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny fahitan'ny olona ny mpaminanin'Andriamanitra izay mahatoky?

 

 

Maro ny ohatra ao amin'ny Baiboly izay mampiseho ny fiaimpiainan'ireo mpaminany. Ao amin'ity tantara ity, ohatra, dia nirahin'i Kisy, rainy, mba hitady ny borikiny very i Saoly. Nanoro hevitra an'i Saoly ny mpanompo niaraka taminy mba tsy hampitsahatra ny fikarohana ireo boriky, satria "misy lehilahin'Andriamanitra ao amin'irỳ tanàna irỳ. Hajain'ny olona izy" - 1 Sam. 9:6, DIEM. Ny fomba ilazana an'i Samoela mpaminany eto no maneho ny toetra andrasana amin'ny mpaminanin'i Jehovah. Ny tena mpaminany marina ao amin'ny Soratra Masina dia antsoina hoe "lehilahin'Andriamanitra", voafidy tao anatin'ny maro mba haneho ny toetran'Andriamanitra. Etsy ankilan'izany anefa, tsy hoe tsy misy tsiny tsy akory ireo "lehilahin'Andriamanitra" izay mpaminany.

Iza moa, na dia tamin'ireo "lehilahin'Andriamanitra" tena nohajaina indrindra aza, no fantatrao fa tsy nanan-kilema velively?

Talata 13 OKTOBRA 2026 - NY ASAN'NY MPAMINANY

NY ASAN'NY MPAMINANY

Vakio ny 1 Sam. 8:4-22 sy ny Lev. 8:10-13. Inona no anjara asan'ny mpaminany teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpisorona?

 

 

Nifanerasera tamin'ny mpanjaka ny mpaminany, na tamin'ny toe-javatra mahafinaritra na tamin'ny toe-java-tsarotra. Rehefa nangataka mpanjaka ny Isiraely (1 Sam. 8:4-22), dia nilaza izao: "manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra." - 1 Sam. 8:5. Ohatra mampalahelo nefa manan-danja izany, izay maneho ny loza atrehin'ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny vanim-potoana rehetra: ny faniriana hitovy amin'ireo manodidina azy. Tamin'ity tranga ity, dia tsy azon'izy ireo an-tsaina ny vokatra hateraky ny fangatahana nataony, na dia efa nampitandreman'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminaniny aza izy (1 Sam. 8:11-18). Na dia nampitandrina ny Isiraely aza i Samoela dia nanosotra ny mpanjakany voalohany ihany, araka ny fanirian'izy ireo. Fantatra araka ny tantara ao amin'ny Baiboly fa i Saoly mpanjaka izany.

Ny boky ao amin'ny Testamenta Taloha toy ny 1 sy 2 Mpanjaka ary ny 1 sy 2 Tantara no mirakitra ny karazana fitondrana nataon'ireo mpanjakan'ny Isiraely sy Joda. Asehon'ny tantara masina fa ireo mpanjaka nanao ratsy no maro lavitra noho ireo nanao ny tsara teo imason'Andriamanitra. Anisan'ny andraikitra fototra niantsorohan'ny mpaminany ny nitaona ireo mpanjaka tsy mahatoky hiverina amin'ny fankatoavana ny lalàn'Andriamanitra. Vokatr'izany dia niatrika fandrahonana ireo mpaminany, ny sasany aza nampijaliana sy novonoin'ireo mpanjaka izay nitarika ny vahoaka hiala amin'Andriamanitra (1 Mpanj. 18:4-19; 2 Tant. 24:20-22).

Nifandray tamin'ireo mpisorona koa ny mpaminany. I Mosesy, mpaminanin'Andriamanitra, dia nanosotra an'i Arona sy ny zanany ho mpisorona voalohany teo amin'ny Isiraely (Lev. 8:10-13). Nisy fotoana koa nahazoan'ny mpisorona teny fananarana avy amin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany (Hôs. 6:9; Mal. 2:1-3). Ohatra iray manaitra izay maneho izany ny mpianakavin'i Ely manontolo, izay notenenina mafy noho ny fitondrantena ratsiny (1 Sam. 2:27-36). Fananarana mahery vaika ireo, manoloana ny faharatsiam-pitondrantena lalina teo amin'ireo olona nomena tombontsoa manokana.

Mpampianatra ny vahoaka ny mpaminany (2 Tant. 34). Izy ireo no nitondra ny hafatr'Andriamanitra ho an'ny mpisorona sy ny mpanjaka ary ny firenena manontolo (Jer. 5:31; Ezek. 22:26). Niteny tamin'ireo firenena manodidina koa ny mpaminany, ka nanambara taminy ny drafitr'Andriamanitra momba azy ireo. Lohahevitra iray miverimberina ao amin'ny hafatr'ireo mpaminanin'ny Testamenta Taloha izany (Isa. 60:1-3; Isa. 62:1,2). Tsy ny hampita amim-pahatokiana ny hafatra nomen'Andriamanitra azy fotsiny no nandrasana tamin'ny mpaminany, fa nisy fotoana nanomezana toromarika azy ireo mba hanoratra ireny hafatra ireny sy hitahiry izany (2 Tant. 13:22). Hitantsika eto indray fa na dia olombelona aza ny mpaminany (ka manana ny fahalemena rehetra mifandraika amin'izany), dia lehilahy sy vehivavy tia vavaka izy ireo, tia ny Tenin'Andriamanitra sy ny fanompoana an'Andriamanitra ary ny vahoakany (Jer. 42:4; 2 Mpanj. 22:15-17).

Alarobia 14 OKTOBRA 2026 - MPAMINANIVAVY

MPAMINANIVAVY

Vakio ny Eks. 15:20, Mpits. 4:4; 2 Mpanj. 22:14 ary ny Neh. 6:14. Inona koa no ampianarin'ireo andinin-tSoratra Masina ireo antsika momba ny asan'ny mpaminany?

 

 

Marobe ny porofo ao amin'ny Soratra Masina, izay maneho fa niantso vehivavy ho mpaminany koa Andriamanitra. (Jereo ny fampiasana ny teny hebreo hoe nevi'ah [Eks. 15:20] sy ny teny grika hoe prophētis [Lio. 2:36].) Tanisain'ny Mika 6:4, miaraka amin'i Mosesy sy i Arona, ho isan'ireo nirahin'Andriamanitra ho amin'ny olony i Miriama. Voatondro ho mpaminanivavy izay nanao hiram-pandresena izy, rehefa niampita ny Ranomasina Mena ny Isiraelita (Eks. 15:20,21). Kanefa io mpaminanivavy io, tahaka ireo mpaminany lahy, dia tsy olona tsy manan-tsiny. Maneho izany ny fihetsika tsy mendrika nataony nanoloana an'i Mosesy sy ilay vehivavy Etiopianina vadiny, fihetsika izay nahazoany famaizana tokoa (jereo ny Nom. 12:1-10).

Mahita asan'ny mpaminany iray hafa isika ao amin'ny tantaran'i Debora, izay nanao ny asan'ny mpitsara teo amin'ny Isiraely (Mpits. 4:1-4). Porofo mazava no omena antsika fa naharay fanambarana avy amin'Andriamanitra i Debora (Mpits. 4:4-9, 14-22). Ny hiram-pandresena nataony (Mpits. 5:2-31) dia fankasitrahana ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra, ary nanana heviny ara-teolojia lalina ho an'ny firenena iray manontolo tamin'izany andro izany.

Vakio ny 2 Mpanj. 22:11-14. Nahoana ireo mpanompon'i Josia mpanjaka no nankany amin'i Holda? Inona no ambaran'izany amintsika momba ny anjara asa manan-danja notanan'io mpaminanivavy io teo amin'ny firenena?

 

 

Nankany amin'i Holda mpaminanivavy ireo tompon'andraikitra ambony tao amin'ny filan-kevitry ny mpanjaka Josia (2 Mpanj. 22:14; 2 Tant. 34:22), rehefa avy namaky ho an'ny mpanjaka ny tenin'ny "bokin'ny Lalàna" (2 Mpanj. 22:8), izay heverina fa ny bokin'ny Deoteronomia. Rehefa nandre izany ny mpanjaka dia "nandriatra ny fitafiany" - 2 Mpanj. 22:11. Hita taratra amin'izany fa lehibe sy manan-danja io toe-javatra io, ary noraisin'ny mpanjaka ho zava-dehibe tokoa. Izany no antony nanirahany avy hatrany ny olony ho any amin'i Holda. Efa naharay hafatra avy amin'Andriamanitra i Holda mahakasika ny fitsarana ho avy tsy ho ela amin'ny fanjakan'i Joda. Ny hafatra ara-paminaniana nentin'i Holda no nanosika an'i Josia hanao fanavaozana, ka tsy nihatra tamin'ny vahoaka ny fitsaran'Andriamanitra.

Ny lehilahy sy vehivavy mpaminany, na dia nantsoin'Andriamanitra aza, dia mpanota koa ka mila ny fahasoavana. Inona ny fanantenana azonao avy amin'ny tantaran'izy ireo?

Alakamisy 15 OKTOBRA 2026 - MPAMINANY SANDOKA

MPAMINANY SANDOKA

Na inona na inona ataon'Andriamanitra dia manao tahaka izany koa i Satana, saingy hosoka ny azy. Toy izany koa ny amin'ny mpaminany. Nisy mpaminany marina sy sandoka teo amin'ny Isiraely. Ny tena zava-dehibe dia ny fahafantarana ny maha samy hafa azy ireo.

Vakio ny Jer. 14:1-15. Inona no mitranga eto, ary ahoana no fijerin'Andriamanitra ireo izay mandainga ka mitonona ho "mpaminany" amin'ny Anarany?

 

 

Ao amin'ny Jer. 14, Andriamanitra dia nanome an'i Jeremia hafatra momba ny fitsarana an'i Joda, fitsarana izay hiseho amin'ny alalan'ny sabatra (ady), sy mosary ary areti-mandringana izany. Nanohitra ny hafatra nentin'i Jeremia ireo mpaminany sandoka tamin'izany andro izany. Tamin'ny fiteny mazava no nilazalazan'i Jeremia ny momba azy ireo: "Dia hoy Jehovah tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin'ny anarako; tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinontsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo." - Jer. 14:14.

Ratsy ireo mpaminany sandoka satria matetika avy amin'ireo "andriamani-tsy izy" ivavahany no iavian'ny faminaniana ambarany (Jer. 23:13,14). Izao no fampitandremana avy amin'Andriamanitra: "Tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy." - Jer. 14:14. "Mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky ny fony" izy ireo (Jer. 23:26). Nomen'Andriamanitra baiko koa i Ezekiela mba haminany hanohitra ireo mpaminany "maminany araka ny fony" - Ezek. 13:2.

Matetika ny mpaminany sandoka no manaraka ny hevitra ankamamian'ny besinimaro. Toy izany no nitranga tao amin'ny 1 Mpanj. 22, rehefa nivory araka ny baikon'i Ahaba mpanjaka ny "mpaminany" 400 (1 Mpanj. 22:6). Niray feo izy ireo nanoro hevitra ny mpanjaka mba hiady amin'i Ramota-Gileada. Nangataka torohevitra tamin'i Josafata mpanjakan'ny Joda i Ahaba rehefa avy nandre ny torohevitra nomen'ireo mpaminanin'i Aseraha izy ireo. Nanoro hevitra an'i Ahaba i Josafata mba hanontany an'i Mikaia mpaminany raha tokony handeha hiady izy ireo na tsia. "Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an'ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa." - 1 Mpanj. 22:13.

Azo inoana fa nitovy tamin'ny tsindry nahazo ireo mpaminany sandok'i Aseraha ihany no nahazo an'i Mikaia izay nasaina nandainga. Kanefa tsy nanaraka ny hevitry ny maro i Mikaia fa niandry an'Andriamanitra hilaza aminy izay tokony holazainy (1 Mpanj. 22:14).

Na mpaminany ianao na tsia, dia mora mandrakariva ny manaraka izay tian'ny besinimaro. Rehefa dinihina anefa ny kolontsaina izay feno faharatsiana, nahoana no tsy tsara mandrakariva ny manao izany?

Zoma 16 OKTOBRA 2026 TSY TONGA LAFATRA SAINGY MANOLO-TENA

TSY TONGA LAFATRA SAINGY MANOLO-TENA

Hitantsika teo aloha teo amin'ny fiainan'ireo mpaminanin'ny Testamenta Taloha fa tsy mora mandrakariva ny mitondra ny hafatra avy amin'Andriamanitra. Nahatsapa ny tahotra sy ny tebiteby tsapan'ireo mpaminany ao amin'ny Baiboly koa i Ellen G. White. Araka ny nianarantsika tamin'ny Zoma lasa teo, mbola tanora izy, saro-kenatra, ary osa ara-pahasalamana rehefa nandray ny antson'Andriamanitra. Na dia nanamafy ny fiantsoana azy aza ny fahitana faharoa nomen'Andriamanitra azy, dia mbola natahotra sy nisalasala momba izany antso izany ihany i Ellen Harmon [White], ka nanoratra hoe:

"Herinandro teo ho eo taorian'izany dia nomen'ny Tompo fahitana hafa aho, ka nasehony ahy ireo fizahan-toetra tsy maintsy hodiaviko; fa tsy maintsy milaza amin'ny hafa izay nasehony tamiko aho; ary hiatrika fanoherana lehibe sy fahorian-tsaina lalina. (...) Nampitebiteby ahy mafy izany fahitana izany. Tena osa ny fahasalamako tamin'izany, ary vao fito ambin'ny folo taona monja aho. (...) Nivavaka mafy aho mba hafindra amin'olon-kafa izany enta-mavesatra izany. Kanefa izao no hany fahazavana azoko: 'Ampahafantaro ny hafa izay nambarako taminao.' Tsy mbola vonona hivoaka eo anivon'izao tontolo izao aho. Raha ny toetrako rahateo dia kely dia kely ny fitokisako tena. (...) Naniry ny ho faty aho. Toa tsara kokoa tamiko ny fahafatesana noho ireo andraikitra mavesatra tsy maintsy hozakaiko." - SG, b. 2, tt. 35, 36.

Voamarikao ve fa naleon'i Ellen Harmon [White] maty toy izay hanaiky ny fiantsoan'Andriamanitra azy? Kanefa, taorian'ny vavaka maro sy ny fampaherezan'ireo mpino namany, dia nanaiky ihany izy ary nanokana ny androm-piainany sisa hanatanterahana ny "baikon'Andriamanitra." - SG, b. 2, t. 38.

Tonga feo manan-kery sy misy fiantraikany lehibe indrindra eo amin'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito izy. Na izany aza, olombelona ihany i Ellen Harmon [White], ka nanana ny fahalemeny, ny olany manokana ara-pahasalamana, ny zava-tsarotra teo amin'ny fiainam-pianakaviany, ary ny fahasarotana teo amin'ny fifandraisany tamin'ny hafa. Tao anatin'izany maha olona azy izany anefa no ahitantsika lesona lehibe iray: mifidy olona tsy tonga lafatra izay vonona hanompo Azy Andriamanitra.

Eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina, ny asa maha mpaminany an'i Ellen G. White dia hampahery ny mpino sy hampifandray azy ireo amin'ny fahamarinana ara-Baiboly. Nandray anjara lehibe tamin'ny fampandrosoana ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito izay vao niforona izy tamin'ny taona 1860, fiangonana iray nomena iraka hitory ny hafatry ny anjely telo amin'izao tontolo izao. Andriamanitra no hitarika ireo mpino hametraka lamina ho an'ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ny taona 1863. Am-polo taona taty aoriana, nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fananganana sy ny fampandrosoana ny rafitra ara-pahasalamana sy ara-panabeazana advantista maneran-tany ny faminanian'i Ellen G. White. Nefa ny anjara biriky lehibe indrindra teo amin'ny asa fanompoany dia ny asa sorany, izay mahatratra 100.000 pejy eo ho eo. Mbola mitohy miteny amin'ny olona manerana izao tontolo izao ankehitriny ireo asa soratr'i Ellen G. White, izay avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra.

Famintinana ny Lesona Sekoly Sabata Lehibe miaraka amin'ny Hopefy Radio

Lesona 2 Q 4 2026 Fiantsoana Ho Mpaminany Mixdown 1 Mp 3

Audio – 21.7 MB 12 downloads

Lesona 1 Q 4 2026 Miteny Ny Mpamorona Dr Benoit Rakotovao Mixdown Mp 3

Audio – 24.6 MB 19 downloads

Tahiry MP3 ny Lesona lasa:

© General Conference of Seventh-day Adventists®


NY TANTARAN'NY NIAINAN'I JESOSY KRISTY TETO AN-TANY         E.G WHITE

(Document ilaina hanomananao ny lesona SS na hanomananao toriteny)

Fonon'ny Boky Ny Fijalian'i Kristy

Ny Fijaliani Kristy Mg Pdf

PDF – 4.6 MB 472 downloads

LESONA SEKOLY SABATA TANORA ZOKINY

© General Conference of Seventh-day Adventists®


ADULT SABBATH SCHOOL

© General Conference of Seventh-day Adventists®


Hope Sabbath School

Click to watch Hope Sabbath School TV

Click the image to see all the ressources: Lesson reading, Video, Audio, PDF, PPT, Mission story and video.

ADVENTIST MISSION 

Click the Bold title to watch movie about Adventist Mission this next Sabbath.

Add comment

Comments

There are no comments yet.

If you would like to leave us any feedback, please email us at: info@fanantenanahoanao.org