NY FANOMEZAM-PAHASOAVAN'NY FAMINANIANA

FAMPIDIRANA

Ny Fanomezam-pahasoavan'ny Faminaniana

Nanomboka nahatakatra bebe kokoa ny fahaizan’ny zazakely amin’ny fianarana teny ny mpahay siansa momba ny ati-doha (neuroscientists). Rehefa enim-bolana monja ny zazakely iray, dia efa afaka mamantatra sy mahatakatra ireo feo mandrafitra ny teny anglisy, na ireo teny avy amin’ireo fiteny tenenina mihoatra ny 7 000 maneran-tany. Raha ampahafantarina azy ny fiteny faharoa, dia afaka mianatra izany fiteny izany koa izy.

Mandritra io vanim-potoana io, dia toy ny misy varavarana ara-tsaina mistery misokatra ao amin’ny sain’ny zazakely, ka ahafahany manavaka ireo feo 40 eo ho eo izay matetika mandrafitra ny fitenin-drazany, amin’ireo feo 800 samihafa izay azony tsapain-tanana hatramin’ny nahaterahany. Saingy misy fepetra iray: tsy maintsy iresahana ny zazakely. Azo lazaina hoe lesona voalohany amin’ny feo sy fiteny ho an’ny zaza vao teraka izany.

Nahoana Andriamanitra no namorona antsika hanana izany fahaizana mahatalanjona izany amin’ny fandrenesana sy fianarana teny, raha tsy nikasa ny hiresaka amintsika Izy?

Mazava ho azy fa fanontaniana mitaky valiny efa fantatra izany. Satria hoy ny Baiboly:

“Andriamanitra, izay niteny tamin’ny razantsika fahiny, tamin’ny fotoana maro sy tamin’ny fomba maro, tamin’ny alalan’ny mpaminany, dia efa niteny tamintsika amin’izao andro farany izao tamin’ny alalan’ny Zanany, izay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, ary Izy koa no nanaovany izao tontolo izao.”
— Hebreo 1:1–2

Rehefa nandrava ny fifandraisana akaiky teo amin’i Adama sy Eva tamin’Andriamanitra ny fahotana, dia tsy nanary azy ireo Andriamanitra, ary tsy namela azy mivady lavo hirodana sy handrava ny tenany. Fa Izy mihitsy no nitady azy ireo, ka nanontany an’i Adama hoe:

“Aiza ianao?”
— Genesisy 3:9

Avy eo dia nanambara faminaniana momba ny fahatongavan’Ilay iray izay hamonjy izao tontolo izao amin’ny fahotana Izy (Gen. 3:15).

Hatramin’ny niandohany, dia teo amin’ny Edena, taorian’ny Fahalavoana, ny faminaniana dia nanandratra an’i Jesosy ary nitarika ireo mpanota ho Aminy, satria Izy irery ihany no fanantenan’izy ireo.


Ny zavatra hianarantsika amin’ity telovolana ity

Amin’ity telovolana ity dia hianarantsika ny momba ny fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana—izany fomba mahatalanjona noforonin’Andriamanitra izany mba hampitana ny sitrapony sy ny lalany amin’ny olombelona lavo, izay tsy afaka mifandray mivantana sy mifanatrika Aminy intsony.

Io fanomezana manokana avy amin’ny Fanahy Masina io dia voalaza misongadina ao amin’ny:

  • 1 Korintiana 12
  • 1 Korintiana 14
  • Efesiana 4
  • Romana 12

Ny Fanahy Masina no Mpizara lehibe izany sy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy rehetra, satria:

“Fa izany rehetra izany dia ataon’ny Fanahy iray ihany, ka Izy no mizara amin’ny olona tsirairay avy araka izay sitrapony.”
— 1 Korintiana 12:11

Nandritra ny tantara, ireo olona nomena fanomezam-pahasoavana ara-panahy dia nampita hafatra avy amin’Andriamanitra mba hamerenana sy hanavaozana ny fifandraisan’ny olombelona amin’Andriamanitra, tahaka ny nataon’Andriamanitra tao Edena taorian’ny Fahalavoana.


Ahoana no iantsoan’Andriamanitra ny mpaminany?

Hianarantsika ny fomba iantsoan’Andriamanitra ny mpaminany, ary koa ny fomba ahafahantsika mitsapa sy mamantatra raha tena mpaminany marina izy ireo.

Ho hitantsika ihany koa:

  • ny fitoviana sy ny fahasamihafana misy eo amin’ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha sy ireo ao amin’ny Testamenta Vaovao;
  • ny fomba fiasan’ny fanambarana (revelation) sy ny fitaomam-panahy (inspiration) eo amin’ny fiainan’ny mpaminany;
  • ny fomba samihafa ampiasain’Andriamanitra hampitana ny hafany.

Ny mpaminany sasany dia niteny, ny sasany kosa nanoratra, ary ny sasany dia nanao izany roa izany.

Hodinihintsika koa ireo fomba hafa ampiasain’Andriamanitra hifandraisana amin’ny olombelona, ny hevitr’izany, ary ireo fitahiana azo avy amin’ny fankatoavana ireo hafatra nampitain’ny mpaminany.


Ireo tanjona dimy lehibe ampiasan’Andriamanitra ny fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana

Mampiasa ny fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana Andriamanitra noho ny antony lehibe dimy:

1. Hampahafantatra ny Tenany, ny fahamarinany ary ny sitrapony amin’ny olombelona lavo.

2. Hanome fahatakarana sy torohevitra momba ireo zava-dehibe sy tranga hitranga.

3. Hanomana sy hampitaovana ny tenan’i Kristy—izany hoe ny Fiangonana—ho amin’ny iraka nampanaovina azy.

4. Hanome fampaherezana ara-panahy ho an’ireo mpanara-dia Azy.

5. Hamoha ny fon’ny mpanota sy hiantso azy ireo hibebaka.

Ankoatra izany, ny “fanahin’ny faminaniana” dia iray amin’ireo famantarana roa mampiavaka ny fiangonan’Andriamanitra sisa amin’ny andro farany (Apok. 12:17; 19:10).


Ny fanomezam-pahasoavana ho an’ny andro farany

Tena maniry ny hitarika soa aman-tsara ireo very hiverina any an-trano Andriamanitra, ka izany no mahatonga ny fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana mbola omena amin’ny andro farany koa (Joela 2:28–31).

Ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia mino—ary manana antony matanjaka iorenan’izany finoana izany—fa Ellen G. White, izay iray tamin’ireo nanorina ny Fiangonana, dia nampiseho tamin’ny andron’ny maoderina ny fiasan’io fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana io.

Izany no antony, ankoatra ny fianarantsika ny fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina, dia isaky ny Zoma ihany koa no handinihantsika ny fizotry ny fiantsoana an’i Ellen G. White ho amin’ny asa fanompoana ara-paminaniana.

Isika amin’ny maha-Fiangonana antsika dia nomena izany fanomezana mahafinaritra izany. Koa ahoana no fomba tsara indrindra hampiasantsika azy?


Mila mihaino ny tenin’Andriamanitra isika

Eny, hatramin’ny fahazazantsika dia natao ho amin’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny teny isika. Mila iresahana isika mba hivoatra sy hianatra.

Koa zava-dehibe tokoa ny mihaino izay lazain’ireo mpaminanin’Andriamanitra amintsika!


Momba ity Torolalana Fianarana Baiboly ity

Ity Torolalana Fianarana Baiboly ho an’ny Sekoly Sabata ho an’ny Olon-dehibe ity dia novokarin’ny ekipan’ny asa fanompoana ao amin’ny White Estate, izay any Silver Spring, Maryland.

Amin’ny alalan’ny fampahafantarana sy fizarana amin’izao tontolo izao ny asa fanompoana ara-paminanian’i Ellen G. White sy ireo asa sorany, ny Ellen G. White Estate, Inc. dia manohana ny iraka ampanaovina ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito—dia ny hanandratra an’i Jesosy Kristy sy ny Teniny.

FANAFOHEZAN-TENY AMPIASAINA MANDRITRA NY FIANARANA

ARSH Adventist Review and Sabbath Herald

PM Patriarika sy Mpaninany/Patriarchs and Prophets, EGW

b. boky

CWE Counsels to Writers and Editors, EGW

RH Review and Herald, EGW

SL The Sanctified Life, EGW

SDABC Seventh-Day Adventist Bible Commentary

DIEM Madagasikara Dikanteny lombonana eto

ST The Signs of the Times, EGW

DHK Ny Dia ho eo amin'i Kristy/ Steps to Christ, EGW

TF Ny Tantaran'ny Fanavotana / The Story of Redemption, EGW

ed Edisiona

EGW Ellen Gould White

TFC Testimonies For the Church, EGW

TFM Torolalana ho amin'ny Fahaizamitantana/Counsels on Stewardship, EGW

Ev Evangelism, EGW

FK Fanabeazana Kristianina/Education, EGW

TlK Talohan'i Kristy

FLB The Faith I Live By, EGW

GAG God's Amazing Grace, EGW

Trk Taorian'i Kristy

HM Hery Mifanandrina/ The Great Controversy, EGW

TT Testamenta Taloha

TV Testamenta Vaovao

IFM Ilay Fitiavana Mandresy/ The Desire of Ages, EGW

t. takila

tt. takila roa fara fahakeliny

UL The Upward Look, EGW

L Letter, EGW

VM Vavolombelona Mahery/The Acts of

LU Lift Him Up, EGW

the Apostles, EGW

Ms Manuscript, EGW

Natontan'ny Trano Pirinty Advantista Soamanandrariny

BP 1134 Antananarivo 101 Lalam-pirenena mankany Toamasina (RN2), PK6 Tel. 037 37 11044-037 37 107 25-034 86 606 99 mail impriad@mea.adventist.mg

Voatolotra ara-dalana: DL: 860-D/03.26 Ny natonta: 14 800 isa

Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA

Sabata 24 OKTOBRA 2026 - FAMPIDIRANA

Fampidirana - FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA

Hodinihina mandritra ny herinandro:

Heb. 1:1,2; 2 Tim. 3:15-17; 2 Pet. 1:18-21; Eks. 17:14; Apôk. 1:19; Ezek. 4:1-8.

Tsianjery

"Ny fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony, izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany." - Apôk. 1:1,2

Anisan'ireo apostoly 12, izay akaiky indrindra an'i Jesosy, i Jaona (Lio. 8:51; Mat. 17:1; Mat. 26:36,37). Nanohy ny asa fanompoany tao Jerosalema izy taorian'ny niakaran'i Kristy ho any an-danitra. Kanefa talohan'ny faharavan'ny tanàna tamin'ny taona 70 TrK, dia nifindra tany Efesosy izy mba hiandraikitra ireo fiangonana tao amin'ny faritanin'i Azia Minora, izay teo ambany fanapahan'ny Romanina. Natao sesitany tany Patmo, nosy iray any amin'ny Ranomasina Égée, ity apostoly ity, nandritra ny fanenjehana ny Kristianina tamin'ny andron'ny amperora romanina Domitien.

Tany Patmo no nandraisan'i Jaona hafatra ara-paminaniana manokana, izay tsy natao ho an'ireo fiangonana fito tany Azia Minora ihany, fa ho an'ny Kristianina amin'ny taranaka rehetra koa (Apôk. 1:1-3, 9-11). Toy izao ny fifandimbiasan'ny fampitana ny hafatra ara-paminaniana izay nandraisan'i Jaona anjara: Andriamanitra Ray → Jesosy Kristy → anjely → apostoly Jaona → ireo mpamaky sy mpihaino. Ohatra mazava momba ny fizotry ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra izany, ka ampiasain'Andriamanitra ny mpaminany mba hampita ny hafany amin'ny olombelona.

Mandinika manokana ireo endrika samihafa isehoan'ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra ny lesona mandritra ity herinandro ity, ka hifantoka indrindra amin'ny fampitana ny hafatr'Andriamanitra amin'ny olona amin'ny alalan'ny fitenenana sy ny fanoratana ary ny fanehoana ara-tandindona.

Alahady 25 OKTOBRA 2026 - FANAMBARANA ANKAPOBENY SY FANAMBARANA MANOKANA

FANAMBARANA ANKAPOBENY SY FANAMBARANA MANOKANA

Vakio ny Heb. 1:1,2. Nahoana Andriamanitra no liana dia liana amin'ny fitenenana amintsika? Inona no ambarany amintsika amin'ny alalan'i Jesosy sy ireo mpaminany?

 

 

Inona no tian'ilay Mpamorona izao rehetra izao hambara amintsika? Nahoana Izy no mifandray amintsika? Satria isika olombelona lavo miaina ao anatin'ny tontolo feno fahotana, ka miatrika fahafatesana, fijaliana ary fitsapana maro. Noho izany dia miteny amintsika Andriamanitra, satria tiany ho fantatsika ny antony maha eto antsika, ny antony maharatsy sy mahasarotra ny zava-misy eto amin'izao tontolo izao, ary koa ny antony ahafahantsika mbola manana fanantenana ao amin'ny fitiavany, na eo aza izany rehetra izany.

Ny fanambarana ankapobeny avy amin'Andriamanitra, izay hita ao amin'ny zavaboary, dia maneho mazava ny heriny tsy manam-petra sy ny fitiavany feno fiahiana antsika. Niloa-bava i Davida mpanjaka hoe: "Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany." - Sal. 19:1. Nanampy izany ny apostoly Paoly hoe: "Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo." - Rôm. 1:20.

Mahagaga koa ny misaintsaina ny herin'Andriamanitra mamerina amin'ny laoniny, izay miseho eo amin'ny fanasitranana feno zava-miafina ataony eto amin'ny tontolo misy antsika. Eny tokoa, "manana hery manasitrana izay miasa amin'ny voary manontolo Andriamanitra. Raha tapaka ny hazo iray, na maratra na koa tapa-taolana ny olona iray, dia manomboka ny fitsaboana izany ratra izany ny natiora. Efa vonona ny fanasitranana na dia mbola tsy miseho akory aza izany ratra izany, ary vantany vao misy ampahany maratra dia mitodika ho amin'ny asa famerenana amin'ny laoniny avokoa ny hery rehetra." - FK, t. 123.

Na tsara tarehy sy feno fampianarana aza ny tontolo voajanahary, dia tsy ny herin'Andriamanitra sy ny fitiavany ihany no hita eo aminy, fa ny fisian'ny ratsy koa (jereo ny Gen. 3:14-19; Mat. 13:24-30). Toa manana hevi-droa izany hafatra izany ka tsy ho takatra araka ny tokony ho izy raha tsy ampifandraisina amin'ny fanambarana manokana avy amin'Andriamanitra – izay ataony ao amin'i Jesosy Kristy, ilay Tenin'Andriamanitra tonga nofo, ary ao amin'ny Baiboly, ilay Tenin'Andriamanitra voasoratra izay manambara Azy (Jao. 5:39).

Ny Soratra Masina no fandraketana ny hafatra avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra ho an'ny taranak'olombelona amin'ny vanim-potoana rehetra. Izy no mitantara amintsika ny famoronana izao tontolo izao sy ny fahalavoana mahatsiravina tao amin'ny fahotana, ary koa ny drafi-panavotana mahagaga nataon'Andriamanitra sy ny famerenana ity tany ity amin'ny laoniny amin'ny farany. Mety ho fohy sy notsongatsongaina ny tantara sasany ao amin'ny Baiboly, nefa azo itokiana ireny satria Andriamanitra no miteny amintsika (jereo ny 2 Tim. 3:16; 2 Pet. 1:19-21).

Na dia mitory amin'ny fomba azo antoka ny herin'ny Mpamorona sy ny fitiavany aza ny zavaboary, nahoana isika no mbola mila hatrany ny Teny voasoratra? Inona no ambaran'ny Tenin'Andriamanitra amintsika izay tsy azon'ny zavaboary samirery ambara amintsika?

Alatsinainy 26 OKTOBRA 2026 - NY TSINDRIMANDRIN' ANDRIAMANITRA

NY TSINDRIMANDRIN'ANDRIAMANITRA

Boky sy asa soratra maro, fa tsy ny Baiboly ihany, no nampitaina tamintsika nandritra ny taonjato maro. Kanefa ny Baiboly no heverintsika ho Tenin'Andriamanitra. Inona àry no mampiavaka azy amin'ireo asa soratra hafa?

Vakio ny 2 Tim. 3:15-17 sy ny Jak. 1:17. Inona no hafatra manan-danja tokony horaisintsika avy amin'ireo andalan-tSoratra Masina ireo?

 

 

Misy adihevitra sasantsasany momba ny dikanteny tsara indrindra ilazana ny 2 Tim. 3:16, kanefa mitovitovy ihany ny ankamaroan'ny fandikan-teny io andininy io ao amin'ny Baiboly, izay manasongadina fa avy amin'Andriamanitra ny Baiboly iray manontolo (2 Pet. 1:20,21).

Toy izao ny fanazavan'ny mpamakafaka ny Baiboly anankiray: "Toa azo inoana kokoa fa ny Soratra Masina ankapobeny no eritreretin'i Paoly eto, ka lazainy fa ny Soratra Masina ankapobeny no 'mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana', fa tsy ny tsipirian-tsoratra tsirairay ao amin'ny Soratra Masina." - G. W. Knight III, The Pastoral Epistles: A Commentary on the Greek Text (Grand Rapids, MI: Eerdmans, 1992), t. 445.

Manao ahoana kosa no tokony hahatakarantsika ny fomba nanomezan'Andriamanitra ny tsindrimandriny, izay nahatonga ny Baiboly? Tokony ho fantatsika fa ny tsindrimandry eo amin'ny faminaniana dia asan'ny Fanahy Masina izay manampy ireo mpaminany marina hampita ny hafatr'Andriamanitra amin'ny fomba azo antoka. Tsy eo amin'ny fandraisana ny hafatra ihany no isian'izany fanampian'ny Fanahy Masina izany fa eo amin'ny fampitana mazava ny hafatra amin'ireo izay andefasana azy koa.

Amin'ny alalan'ny fahitana sy ny nofy no andraisan'ny mpaminany ny hafatr'Andriamanitra (Nom. 12:6; Isa. 6:1,8). Nampiasain'Andriamanitra koa anefa ny vavolombelona nanatri-maso (1 Jao. 1:1-3), ny fikarohana ara-tantara nampirisihin'ny Fanahy (Lio. 1:1-3), ary ny fiasan'ny Fanahy Masina ao amin'ny saina (2 Pet. 1:21). Na inona na inona fomba nampiasain'ny Fanahy Masina, dia hafa-pahamarinana mahitsy no nentin'ny mpaminany sy ny mpanoratra ny Baiboly fa tsy izay niankina tamin'ny fihetsehampony na ny heviny manokana. Izany hoe, tsy azon'ireo mpitondra hafatra novana na namboamboarina ny hafatra avy amin'Andriamanitra, na dia ny fitenin'izy ireo manokana aza no nentiny nilaza izany.

Natao am-bava (2 Pet. 1:19-21), na an-tsoratra (Jao. 20:30,31) na koa tamin'ny alalan'ny fampiasana tandindona sy fanehoana ohatra mivaingana (Ezek. 4:1-8) ny fampitana ireo hafa-paminaniana tamin'ireo mpihaino azy voalohany.

Fanontaniana maro no tsy mbola voavaly mikasika ny fomba nanomezana ny Baiboly, na ny tsindrimandrin'Andriamanitra ankapobeny. Na izany aza, nahoana no zava-dehibe tokoa ny matoky fa Tenin'Andriamanitra avy amin'ny tsindrimandriny ny Baiboly, eny fa na dia tsy takatsika amin'ny fahafenoany aza ny fomba nanoratana azy?

Talata 27 OKTOBRA 2026 - HAFATRA AM-BAVA

HAFATRA AM-BAVA

Vakio ny 2 Pet. 1:18-21. Inona no antoka ananantsika fa ireo hafatra am-bava nentin'ny mpaminanin'Andriamanitra dia avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra sy azo itokiana tahaka ireo hafatra voasoratra ihany?

 

 

Niteny tamin'i Adama sy i Eva Andriamanitra talohan'ny Fahalavoana (Gen. 2:16,17) sy taorian'izany (Gen. 3:9-19). Amin'ireo tranga roa ireo dia nahatakatra tsara ny Teniny izy ireo. Toy izany koa, re mazava tsara ny feony tao Sinay (Eks. 20:1-20), ary koa tamin'ny batisan'i Jesosy sy ny fiovan-tarehiny teo an-tendrombohitra (Mat. 3:17; Mat. 17:5). Mety hisy tsy fahazoan-kevitra rehefa miresaka amintsika ny olona, saingy rehefa Andriamanitra no miteny amin'ny olona iray, dia tsy hisy hevitra manjavozavo na famitahana amin'izany.

Manamafy izany ny Baiboly: "Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah" - Eks. 6:2. Maro ireo mpanoratra ny Baiboly nanamafy fa nandre ny feon'Andriamanitra niteny taminy. Toy izany, ohatra, i Isaia (Isa. 8:1,11), i Jeremia (Jer. 1:4,9,11), ary i Ezekiela (Ezek. 3:16; Ezek. 6:1). Ny fiezahana handà ireo filazana ireo dia miafara amin'ny fisalasalana momba ny fahamarinan'ny mpaminany sy ny maha azo antoka na tsia ny Baiboly.

Tahaka ny nitenenan'Andriamanitra tamin'ny mpaminany tamin'ny alalan'ny fiteny azon'ny olombelona, dia toy izany koa no nitenenany tamin'ireo olona nandray ny hafany. I Noa, ohatra, dia mpaminanin'Andriamanitra ary "mpitory ny fahamarinana" nahatoky (2 Pet. 2:5). Tsy nanoratra ampahan-dahatsoratra tao amin'ny Baiboly izy, kanefa nampita am-bava ny hafatr'Andriamanitra tamin'ireo olona niara-belona taminy, ary tsy latsa-danja amin'ireo asa soratry ny mpaminany izay raketin'ny Baiboly ny hafatra nentiny, satria avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra koa.

Mpaminany maro hafa koa, anisan'izany i Natana, i Elia, i Elisa, ary i Jaona Mpanao Batisa, no tsy mba nanoratra boky ao amin'ny Baiboly, fa nampita ny hafatr'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fitenenana am-bava.

Ary ahoana kosa ny amin'i Jesosy Kristy? Raketin'ny Filazantsara fa "nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany" Izy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany (Jao. 8:6). Izay no ahitantsika an'i Jesosy manoratra, fa tsy misy ny firaketana hafa ankoatra izany. Nefa i Jesosy dia nampianatra sy nitoriteny "toy izay manana fahefana" - Mat. 7:29. Ny sasany tamin'ireo mpihaino Azy aza dia nilaza mihitsy fa "tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany" (Jao. 7:40,46). I Jesosy dia tena mpampita ny hafatr'Andriamanitra tokoa tamin'ny alalan'ny fitenenana. Ary tsy nihena ny fahefana sy ny lanjan'ny hafany na dia tsy nanoratra boky aza Izy.

Mahavariana tokoa fa misy mpaminanin'Andriamanitra tsy nanana asa soratra ao amin'ny Baiboly. Nahoana izy ireo no mbola manana fahefana ihany koa?

Alarobia 28 OKTOBRA 2026 - HAFATRA AN-TSORATRA

HAFATRA AN-TSORATRA

Misy lahateny malaza sasany izay nisy fiantraikany lalina teo amin'ny fiainan'ny olona ary nanova ny fizotry ny tantara mihitsy aza. Raha tsy voarakitra an-tsoratra ireo lahateny ireo dia mety ho very ny teny ao anatiny na koa mety hiova arakaraka ny androsoan'ny fotoana. Araka izany, ny fandraisana an-tsoratra no mampaharitra ny teny tononina, ary izany faharetana izany no ahafahana mampita ny hafatra amin'ny taranaka mifandimby.

Taoriana kelin'ny nialan'ny Isiraelita tany Egypta sy ny nandreseny ny Amalekita no nandidian'Andriamanitra an'i Mosesy hoe: "Soraty eo amin'ny boky izany ho fahatsiarovana" - Eks. 17:14. Nanomboka tamin'i Mosesy, izay nanoratra ireo boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly sy ny Sal. 90, dia notarihin'ny Fanahy Masina ireo mpaminany hanoratra ireo boky mandrafitra ny Baiboly, izay misy boky 66 ankehitriny.

Vakio ny Eks. 17:14; Jao. 20:30,31; 1 Kôr. 10:11 ary ny Apôk. 1:19. Inona avy ireo antony nanomezan'Andriamanitra baiko ny mpaminaniny mba handray an-tsoratra ny hafatra nomeny azy ireo?

 

 

Maneho ny fomba fanoratra sy ny fahaiza-manoratr'ireo mpanoratra tsirairay avy ny boky samihafa ao amin'ny Baiboly. Hodinihintsika ao amin'ny lesona amin'ny herinandro fa tsy manamaivana na manova ny hafatra entin'ny mpanoratra ny maha-izy manokana ny mpaminany na ny angalin-tsorany, satria tsy misy "ambaratonga" samihafa amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra. Mazava loatra fa misy ampahany sasany ao amin'ny Baiboly izay misy ifandraisany akaiky sy azo ampiharina kokoa amin'ny fiainantsika sy ny finoantsika ankehitriny noho ny hafa. Nefa izany tsy midika fa nahazo tsindrimandry bebe kokoa avy amin'Andriamanitra ny mpanoratra sasany raha oharina amin'ny hafa.

Nisy fotoana ny mpanoratra ny Baiboly nandrakitra an-tsoratra ireo hafatra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra azy, hafatra izay nampitaina am-bava tamin'ny voalohany, na izy na mpiara-miasa azony nitokiana no nilaza izany. I Mosesy, ohatra, dia nandrakitra ao amin'ny bokin'ny Deoteronomia ny lahateny farany nataony tamin'ny Isiraelita talohan'ny nahafatesany. Ny Filazantsara efatra indray dia mirakitra ireo toriteny maro sy fampianaran'i Jesosy nandritra ny asa fanompoany tetỳ an-tany.

Misy ihany anefa toe-javatra izay namerenan'ny mpaminany teny tsy avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra (Asa 17:28; 1 Kôr. 15:33; Tit. 1:12), eny, nitanisan'izy ireo ny tenin'i Satana koa aza (Gen. 3:1-5; Mat. 4:1-11).

Tokony hotsaroantsika fa rehefa nandrakitra ny fihetsehampo sy ny fanirian'ny olona hafa ny mpaminany, dia naneho koa ny fihetsehampo maha olombelona azy manoloana izany (jereo ny Dan. 8:27; Apôk. 22:8,9). Ankoatra izany, dia ahitana ohatra tsara maro tokony halain-tahaka ao amin'ny Baiboly, nefa koa misy ohatra ratsy maro tokony hohalavirina (1 Kôr. 10:1-11).

Rehefa mamaky ny Baiboly isika dia tokony hahatsiaro fa na dia tsy voasoratra amin'ny fiteny tonga lafatra aza izany, dia mitondra hafatra tsy mety diso izay tsy ho lefin'ny fotoana.

Alakamisy 29 OKTOBRA 2026 - IREO MPAMINANY SANDOKA AO AMIN'NY TV

FANEHOANA OHATRA MIVAINGANA, TANDINDONA, FANOHARANA

Ahitana sary an'ohatra marobe ao amin'ny Baiboly. Ny rafitra manontolo momba ny fanatitra tao amin'ny Testamenta Taloha, ohatra — ny alitara tamin'ny andron'ny patriarika, ny tabernakely nataon'i Mosesy, ary ny Tempoly tany Jerosalema — dia fanehoana an-tsary an'ohatra ny fanati-panavotana nataon'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana sy ny asa fisoronana ataony any an-danitra (Heb. 8:1-6).

Ao amin'ny faminanian'i Daniela indray, ireo fanjakana sy fahefana eto amin'izao tontolo izao dia naseho tamin'ny alalan'ireo faritra samihafa amin'ny tenan'ny sariolona lehibe iray (Dan. 2:31-45), tamin'ny alalan'ny biby sy ny tandroka isan-karazany (Dan. 7 sy 8), ary tamin'ny alalan'ny mpanjaka roa (Dan. 11). Misy fanehoana mitovy amin'izany koa ao amin'ny bokin'ny Apokalypsy, toy ny amin'ireo bibidia roa ao amin'ny toko faha-13.

I Jesosy koa raha nampianatra, dia nanohatra ny Tenany tamin'ny "mofon'aina" - Jao. 6:35, 41-58, "fahazavan'izao tontolo izao" - Jao. 8:12; Jao. 9:5, ary "tena voaloboka" - Jao. 15:1-8. Ary tamin'ny alalan'ny fanoharana momba ny mpamafy (Mat. 13:1-9, 18-23) sy ny fanoharana maro hafa (Mat. 13:24-52, sns) no nanehoany ny toetry ny fanjakany sy ny fitomboan'izany.

Vakio ny Ezek. 4:1-8. Araka ny hevitrao, nahoana Andriamanitra no tsy niteny fotsiny fa nampita ny hafany sasany tamin'ny alalan'ny fanehoana ohatra mivaingana?

 

 

Misy fanehoana ohatra mivaingana hita ao amin'ny Ezek. 4:1-8. Nasain'Andriamanitra nanao sarin'i Jerosalema ilay mpaminany, ary nanao ambany mandry ny ilany havia teo amin'izany sary izany nandritra ny 390 andro, mba hanehoana ny firenena Isiraely. Ary taorian'izany, dia nasainy nataon'ilay mpaminany ambany mandry ny ilany havanana, nandritra ny 40 andro, mba hanehoana ny taranak'i Joda. Fanandramana iray mivaingana koa ny baiko nomen'Andriamanitra an'i Hosea mba hampakatra an'i Gomera, vehivavy janga, ho fanehoana ny tsy fahatokiana ara-panahin'ny Isiraely eo anatrehan'Andriamanitra (Hôs. 1:2-9).

Toa manaitra ny olona ankehitriny ny fanandramana naseho tamin'ny ohatra mivaingana, izay niainan'i Ezekiela sy i Hosea. Kanefa izany mihitsy no tanjona: natao hanaitra izy ireny, tsy ho antsika ihany fa ho an'ireo olona tamin'izany fotoana izany koa. Tamin'ny fotoana izay nandavana ampahibemaso ny fampitandreman'ireo mpaminany (jereo ny 2 Tant. 36:15-21), dia ny fihetsika maneho tandindona na ny fiainana aseho ny olona rehetra no asam-pamindrampo farany nentin'Andriamanitra nanaitra ny olona momba ny toerana misy azy ireo, mba hitaomana azy hibebaka marina. Azo antoka tokoa mantsy fa ny fanehoana ohatra mivaingana tahaka izany dia nilaza tamin'izy ireo ny tokony ho nandraisany amim-pahamatorana ny fampitandreman'Andriamanitra.

Karazana fanehoana ohatra mivaingana toy ny ahoana no mety hisy ankehitriny mba hampitandremana antsika, momba ny maha vahoakan'i Laodikia antsika (ohatra)? (Jereo ny Apôk. 3:14-18.)

Zoma 30 OKTOBRA 2026 NY TENIN'I ELLEN G. WHITE MOMBA NY FANAMBARANA SY NY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA

NY TENIN'I ELLEN G. WHITE MOMBA NY FANAMBARANA SY NY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA

Inoan'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito fa nahazo tsindrimandry avy amin'Andriamanitra i Ellen G. White. Ny asa sorany sy ny fiainany ary ny fanompoany dia samy mifanaraka amin'ireo fepetra mampiavaka ny mpaminany marina. Nananany ny toetoetry ny tsindrimandry izay nananan'ireo mpaminanin'ny Baiboly, na dia tsy nihevitra velively aza izy fa mitovy amin'ny Soratra Masina ny asa sorany. Mifanohitra amin'izany aza, nasandratr'i Ellen G. White hatrany ny Baiboly. Kanefa ahoana ny fahatakarany ny fanambarana ara-paminaniana nomen'Andriamanitra azy sy ny amin'ny tsindrimandry?

Voalohany, nihevitra mandrakariva i Ellen G. White fa ny Baiboly no fanambarana manam-pahefana sy tsy mety diso momba an'Andriamanitra. Ny Baiboly no manambara ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny drafi-pamonjeny ho an'ny taranak'olombelona lavo. Ao anatin'izany dingana izany, araka izay ianarantsika, dia mampiasa mpaminany Izy mba hampita ny hafany.

Faharoa, fantatr'i Ellen G. White fa momba ny tsindrimandry dia miara-miasa Andriamanitra sy ny olombelona. Andriamanitra no manome ny hafatra, ary ny mpaminany no mampita izany toromarika avy amin'Andriamanitra izany amin'ny alalan'ny fiteniny manokana. Tahaka izao ny nambaran'i Ellen G. White momba izany: "Tsy nanao soratononina Andriamanitra raha nampita hafatra, fa ny mpanoratra no nomeny tsindrimandry. Ny mpanoratra no iasan'ny Fanahy Masina, ka hevitra avy amin'Andriamanitra no mameno ny sainy. (...) Mikambana amin'ny fisainan'Andriamanitra ny fisainan'olombelona ka tonga Tenin'Andriamanitra ny teny lazain'ny olona." - SIM, b. 1, t. 21.

Mahakasika ny fahitana sy ny nofy ara-paminaniana, dia takatr'i Ellen G. White fa ny "hevitra avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra" dia firaisan'ny fanambaran'Andriamanitra sy ny fanandraman'olombelona. Hoy izy: "Ny Baiboly, izay ahitana ireo fahamarinana nomen'Andriamanitra aseho amin'ny fitenin'olombelona, dia maneho ny firaisan'ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona." - SIM, boky 1, t. 25. Nampiasa fomba maro Andriamanitra mba hahatakaran'ilay irany ny hafatra tiany hampitaina. Anisan'izany ny sary naseho tamin'ny fahitana, ny teny ary ny fisainana izay nampiasa ny retsi-pandre rehetran'ilay mpaminany. Mitovy amin'ny fanandraman'ireo mpanoratra ny Baiboly ny niainan'i Ellen G. White.

Fahatelo, nanamarika i Ellen G. White fa tsy avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra avokoa tsy akory ny fanandramana rehetra niainany sy ny teny rehetra voalazany. "Misy fotoana izay tsy maintsy niresahana zavatra tsotra andavanandro sy nieritreretana momba izany; tsy maintsy nisy taratasy tsotra nifampitana hafatra teo amin'ny mpiasa iray mankamin'ny anankiray hafa. Ny teny sy ny fampahafantarana toy izany dia tsy avy amin'ny tsindrimandrin'ny Fanahin'Andriamanitra manokana." - SIM, b. 1, t. 39. Zava-dehibe ny fahatakarana izany fiavahana izany rehefa mamaky sy mandinika ny asa sorany sy ny fanandramany isika, indrindra ireo taratasy nosoratany manokana sy ny diariny.

Manampy antsika hisoroka ny fandraisana tendrony ny fahafantarantsika ny fomba fahatakaran'i Ellen G. White ny fanambarana sy ny tsindrimandrin'Andriamanitra, ary manampy antsika hamaky ny toroheviny amim-pahendrena sy amim-pahatakarana marina.

Famintinana ny Lesona Sekoly Sabata Lehibe miaraka amin'ny Hopefy Radio

Lesona 4 Q 4 2026 Ireo Mpaminaninny Testamenta Vaovao Dr Jean Jacques A Mixdown Mp 3

Audio – 23.1 MB 14 downloads

Lesona 3 Q 4 2026 Ireo Mpaminaninny Testamenta Taloha Dr Benoit Rakotovao Mixdown Mp 3

Audio – 27.5 MB 18 downloads

Lesona 2 Q 4 2026 Fiantsoana Ho Mpaminany Mixdown 1 Mp 3

Audio – 21.7 MB 30 downloads

Lesona 1 Q 4 2026 Miteny Ny Mpamorona Dr Benoit Rakotovao Mixdown Mp 3

Audio – 24.6 MB 32 downloads

Tahiry MP3 ny Lesona lasa:

© General Conference of Seventh-day Adventists®


NY TANTARAN'NY NIAINAN'I JESOSY KRISTY TETO AN-TANY         E.G WHITE

(Document ilaina hanomananao ny lesona SS na hanomananao toriteny)

Fonon'ny Boky Ny Fijalian'i Kristy

Ny Fijaliani Kristy Mg Pdf

PDF – 4.6 MB 486 downloads

LESONA SEKOLY SABATA TANORA ZOKINY

© General Conference of Seventh-day Adventists®


ADULT SABBATH SCHOOL

© General Conference of Seventh-day Adventists®


Hope Sabbath School

Click to watch Hope Sabbath School TV

Click the image to see all the ressources: Lesson reading, Video, Audio, PDF, PPT, Mission story and video.

ADVENTIST MISSION 

Click the Bold title to watch movie about Adventist Mission this next Sabbath.

Add comment

Comments

There are no comments yet.

If you would like to leave us any feedback, please email us at: info@fanantenanahoanao.org