Toetran’Andriamanitra ho an’ny olona tsy mendrika ny fahasoavana. Tsy isika no mandeha mitady izany, fa natolotra ho antsika izany. Faly Andriamanitra mandrotsaka izany fahasoavana izany amin’olona izay mangetaheta izany. Maneho ny famindrampony amintsika Andriamanitra, tsy hoe satria mendrika isika, fa satria tena tsy mendrika mihitsy aza. Ny ilaintsika dia fahatratrarana toerana izay manome antsika antoka fa handray izany fanomezana izany. Izao no voalaza: « Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; » (Efesiana 2:8)
Tsy mba takatry ny Anjely, ny teny atao hoe “fahasoavana”,
Izay tsy nanota velively, fa nankato tamim-pitiavana.
Ny fitiavan’ny Ray Avo no tena tsapan’izy ireny,
Satria voahary tsy mba tsy lavo, fa nankato ombieny ombieny.
Ny olombelona eto kosa, mpanota, mandika lalàna,
Dia fahasoavambe miavosa, no indro atolotra hamahàna.
Ka izay maniry indrindra izany, dia omena maimaimpoana,
Fahasoavana izay tsy ho lany, sy famindrampo tsy ho foana.
Rehefa mandray izany isika, ka mamela izany hiasa,
Dia ny Fanahy omena antsika, no manatanteraka ny asa.
Ka ho lasa tia ny mankato, sy manaja ny lalàna,
Dia hifandrindra ho amin’ny soa, ny fisainana ho voatàna.
The angels never fully knew
What “grace” would truly mean,
They never sinned, they always chose
To live in ways kept clean.
They felt the love of God above,
Created strong and right;
They stood each time, they did not fall,
Obeying in His light.
But we on earth are weak with sin,
We break God’s law each day—
And yet great grace is offered us
To wash our guilt away.
To all who long to take that gift,
It comes both full and free:
A grace that never runs out dry,
A love that will not flee.
When we receive and let it work
Deep in our heart and mind,
God’s Spirit comes to shape our lives
And change our human kind.
We start to love the path of truth,
Respect God’s perfect plan;
Our thoughts grow clean, our lives made right—
New people in Christ we stand.
REHEFA MANDRAY NY FAHASOAVANA AMIN’NY FINOANA ISIKA KA MAMELA IZANY HIASA EO AMIN’NY FIAINANTSIKA, DIA HANAMBARA NY FIORENAN’NY LALANA TSARA ISIKA; HANANDRATRA NY LALANA ISIKA ARY HANOME VONINAHITRA IZANY AMIN’NY ALALAN’NY FANATANTERAHANA IREO FITSIPIKA VELON’NY LALANA NOHO NY HERIN’NY FAHASOAVAN’I KRISTY, ARY REHEFA MANKATO NY LALAN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY FO MADIO SY AMIN’NY FO REHETRA ISIKA NOHO NY FITIAVANA AN’I KRISTY, DIA HANEHO NY HERIN’NY FANAVOTANA EO ANATREHAN’NY LANITRA MANONTOLO SY EO ANATREHAN’ITY IZAO TONTOLO IZAO MIHEMOTRA ITY IZAY NANAFOANA NY LALAN’ANDRIAMANITRA.
Add comment
Comments