Mampifandray ny lanitra sy ny tany : Kristy ao amin'ny Filipiana sy Kolosiana

MAMPIFANDRAY NY LANITRA SY NY TANY

Eritrereto ny asa sarotra indrindra efa nataonao. Inona no nahatonga izany ho sarotra? Ny zavatra nandrasana taminao sa ny fotoana nomena hanaovana ilay asa, sa izy roa mitambatra? Sa ny toe-tsainao manoloana ilay asa? Na koa angamba ny olona niara-niasa taminao? Sa noho ny fiheveranao fa tsy hahomby mihitsy izany?

Saintsaino ny tanjon'ny drafi-pamonjena: mba hampifandray ny lanitra sy ny tany. Toa tsy azo heverina mihitsy ve ny hahatanteraka izany? Tena izany tokoa raha ny fomba fijery maha olombelona. Kanefa, talohan'ny niakaran'i Jesosy ho any an-danitra, dia nomeny iraka toa sarotra tanterahina ireo Apostoly: "Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo." - Mat. 28:19-20.

Naniraka an'i Paoly ho any amin'ny Jentilisa i Jesosy mba hanatontosa io asa toa sarotra tanterahina io: "hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy."-Asa. 26:18.

Azo inoana fa maro no kivy ka hilavo lefona raha omena asa tahaka izany; aoka anefa tsy hohadinointsika ireo teny fikasana nomen'i Jesosy tao anatin'ireo toe-javatra roa ireo. Hoy Izy tamin'ireo Apostoly: "Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao." Mat. 28:20. Ary izao no nolazainy tamin'i Paoly: "Fa mitsangana, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy, sy izay hisehoako aminao." - Asa. 26:16.

Raha fintinina, dia ampanaovin'i Jesosy iraka toa tsy ho vita isika, raha ny fijery maha olona, mba hianteherantsika Aminy fa tsy amin'ny herin'ny tenantsika. Kanefa tsy manome asa iray hotontosaina Izy raha tsy efa manome antsika ny hery hoenti-manatanteraka izany. "Rehefa miara-miasa amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny sitrapon'ny olona, dia manan-kery indrindra izany. Na inona na inona tokony hatao noho ny baikony, dia mety ho tanteraka noho ny heriny. Ny baikony rehetra dia samy teny fikasana avokoa." - HF, t. 341.

Mahaliana tokoa fa tamin'ny fotoana nanoratan'i Paoly ny epistily ho an'ireo Kolosianina, dia efa "notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny" ny filazantsara (Kôl. 1:23). Mazava loatra fa tsy ny rehetra no nandray izany. Raha mandinika akaiky ny iraka nampanaovin'i Jesosy an'ireo Apostoly kosa isika (Mat. 28:18-20), sy izay nampanaoviny an'i Paoly, dia hahita fa tsy nampanantena Izy fa ny olona rehetra no ho tonga mpianatra na koa hiova fo. Ny hitoriana "amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany" no baiko nomeny (Mat. 24:14). Toy ny ahoana moa izany vavolombelona izany? Manao ahoana no tokony hanatanterahana izany iraka izany?

Amin'ity telovolana ity, dia handinika ny epistily nosoratan'i Paoly ho an'ny Filipianina sy ny Kolosianina isika. Misy fitoviana manan-danja eo amin'ireo epistily roa ireo. Ambonin'izany rehetra izany, dia i Kristy no asehon'izy ireo, Izy Ilay tokana afaka mampifandray ny lanitra sy ny tany. Izy Ilay tohatra hitan'i Jakoba niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra (Gen. 28:12: ampitahao amin'ny Jao. 1:51). Manavotra antsika amin'ny fahotana Izy amin'ny maha Zanak'olona Azy; ary manao fanelanelanana ho antsika amin'ny maha Zanak Andriamanitra Azy.

Amin'ny fandalinana ireo epistily ireo no hahitantsika ireo lafin-toetra roa momba an'i Jesosy ireo. Hohalalinintsika ny sasany amin'ireo fanambarana miezinezina indrindra mikasika ny maha Andriamanitra an'i Kristy sy ny namoizany izany rehetra izany mba hamonjena antsika. Ho hitantsika ny tolona natrehin'i Paoly tany am-ponja manoloana ireo olana tao amin'ny anankiray amin'ireo fiangonana naoriny (Filipy) sy tao amin'ny fiangonana iray izay tsy mbola notsidihiny akory (Kolosia). Ireo fifandraisana naoriny nanerana ny "fiangonana eran-tany" no nanampy azy niatrika sy namaha ireny olana ireny na dia tao amin'ny fonja iray tany Roma aza izy. Fantany fa kely ny fotoana nananany, ka nataony izay rehetra azony natao mba hanintonana ny fiangonana hanakaiky kokoa ny lanitra sy hifanakaiky izy samy izy. Amin'izany no anehoany amintsika fa azon'ny fiangonana ankehitriny atao koa ny miray amin'ny lanitra mba hahatanteraka ny iraka ao amin'ny Apokalipsy toko faha-14 ho an'ny andro farany, dia izay fantatsika amin'ny anarana hoe: "hafatry ny anjely telo."

Tale mpanampy ao amin'ny Biblical Research Institute any amin'ny foibe maneran-tany i Clinton Wahlen, izay manana ny mari-pahaizana Ph.D. Manana traikefa sy fahaizana manokana mikasika ny Testamenta Vaovao sy ny fanazavana ny Soratra Masina ("Herméneutique") ary ny tantaran'ny fiangonana advantista izy. Efa nonina sy niasa tany Alemaina izy, tany Nouvelle Zelande, Russie, Angletera ary Philippines. Manan-janaka efa lehibe izy sy i Gina vadiny, manana vinantovavy iray koa, ary manan-jafy anankiroa.

FANAFOHEZAN-TENY AMPIASAINA MANDRITRA NY FIANARANA

AAA Any Am-parany Any, EGW

AH The Adventist Home, EGW

b. boky

DHK Ny Dia Ho eo amin'i Kristy, EGW

DIEM Dikan-teny lombonana Eto Madagasikara

Ed. edisiona

Ev. Evangelism, EGW

GAG God's Amazing Grace, EGW

HF Henoinareo ny Fanoharana, EGW

HM Hery Mifanandrina, EGW

IFM Ilay Fitiavana Mandresy, EGW

NKJV New King James Version

SDABC Seventh-Day Adventist Bible Commentary, EGW

t. takila

tt takila roa farafahakeliny

TFC Testimonies for the Church, EGW

TMF Tanamasoandron'ny Fahasalamana, EGW

TT Testamenta Taloha

TV Testamenta Vaovao

VM Vavolombelona Mahery, EGW

Natontan'ny Trano Pirinty Advantista Soamanandrariny

BP 1134 Antananarivo 101 Lalam-pirenena mankany Toamasina (RN2), PK6 Tel. 037 23 107 18-037 37 107 25-034 86 606 99 e.mail impriad@mea.adventist.mg Voatolotra ara-dalána: DL: 812-D/09.25 Ny natonta: 14 800 isa Kristy to amin'ny Filipiaina sy kalasiand

Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY

Sabata 31 JAN 2026 - FAMPIDIRANA

MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY

Fampidirana.

Hodinihina mandritra ny herinandro:

Fil. 3:1-16; Rom. 2:25-29; Jao. 9:1-39; Efes. 1:4,10; 1 Kor. 9:24-27.

Tsianjery : "Eny, mba ho fantatro lzy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany, raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty." -Fil. 3:10,11.

 

 

Mbola misy fisalasalana mitoetra ao anatintsika mikasika ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana irery ihany, izay tsy miankina amin'ny asan'ny lalana. Izany hoe, noho ny antony vitsivitsy, dia manana fironana hiantehitra amin'ny asantsika isika, toy ny hoe hahazoam-pamonjena izany. Manaitra ny fomba iresahan'i Paoly mikasika izany teboka iray izany ao anatin'ny tohan-kevitra mafonja manohitra ireo izay miziriziry amin'ny fiheverana fa ilaina ho amin'ny famonjena ny famorana.

Mba hisorohana ny fiheveran'ny olona sasany fa mitondra famonjena ny asa, toy ny famorana, dia ambaran'i Paoly mazava tsara fa ny fahamarinana dia fanomezana atolotr'i Kristy izay raisina avy amin'ny finoana fa tsy avy amin'ny lalana. Mety tsy miteraka adihevitra na olona amin'izao androntsika izao ny famorana, nefa azo antoka fa mbola manan-kery ny foto-kevitra raketiny.

Izany lohahevitra izany rahateo aza no niandohan'ny Fanavaozana protestanta: ny anjara asan'ny finoana sy ny asa ao anatin'ny fanandraman'ny Kristianina anankiray. Fehiny, i Kristy no zava-drehetra ho antsika, Ilay "Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy" - Heb. 12:2. Raha eo amin'ny toerana tokony hisy azy no ametrahana ny laharam-pahamehantsika, dia hiaina ao anatin'ny fahazoana antoka ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra isika ary hifaly sahady amin'ny teny fikasana momba ny famonjena ka "tsy mitoky amin'ny nofo" (Fil. 3:3).

Alahady 01 FEV 2026 - MIFALY AO AMIN'NY TOMPO.

MIFALY AO AMIN'NY TOMPO.

Vakio ny Fil. 3:1-3. Inona no teny manana hevitra mia o sy mit ia a aon'i Paoly eto, ary ahoana no ifandraisan'izany? Toy ny ahoana ny fanoritsoritany ireo mpino?

 

 

Fehezanteny manana hevitra miabo no anombohan'i Paoly ny teniny, ary toy ny hoe mamarana ny epistiliny no famakiana izany. Tsy mbola tapitra anefa ny zavatra tiany hambara. Iverenany indray ny anankiray amin'ireo lohahevi-dehibe tao anatin'ity epistily ity: ny fifaliana ao amin'ny Tompo. Ary hanome antony marobe ho amin'izany izy. Izao no zava-dehibe indrindra: i Kristy no tokony hitokiantsika fa tsy ny tenantsika, "Fa isika (...) manao an'i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin'ny nofo." - Fit. 3:3. Iza amintsika no efa nandray lesona naharary mikasika ny tsy tokony hitokiana amin'ny nofo?

Ny fampitandremana mafonja hoe "tandremo" (izay miverina intelo) dia tsy hita na aiza na aiza ao amin'ny Soratra Masina afa-tsy ao amin'ireo andalan-teny ireo irery ihany. Hita taratra eto fa fantatr'ireo Filipianina tsara ny loza manambana tokony hotandremana izay nambaran'i Paoly. Tsy olana telo samy hafa no tondroina eto fa andian'olona mpitondra fampianaran-diso izay soritsoritana amin'ny fomba telo samy hafa.

Ny olona ratsy fanahy na tsy mpivavaka teo amin'ny Isiraely fahiny dia nantsoina matetika hoe "amboa" (Fil. 3:2; ampitahao amin'ny Sal. 22:16; Isa. 56:10; Mat. 7:6; 2 Pet. 2:21,22). Azo antsoina hoe "mpanao ratsy" koa ny mpampianatra sandoka. Ny fanondroana azy ireo ho "voakilema" na "manapaka ny nofo" (Fil. 3:2, DIEM) dia mampiseho, tahaka ny ao amin'ny Galatianina sy ny boky hafa, fa manery ny hamorana ny mpino Jentilisa izy ireo, izay manohitra ny fitsipika napetraka tao amin'ny filan-kevitry ny apôstôly (Asa. 15).

Mahaliana tokoa ny manamarika fa ny vahaolana manoloana ireo fihaikana ara-panahy, anisan'izany ny fielezan'ny fampianaran-diso, dia ny "mifalia ao amin'ny Tompo" - Fil. 3:1; ampitahao amin'ny Fil. 4:4.

Tian'Andriamanitra ho faly isika, ary ny Teniny no karazana taridalana haha-zoana ny tena fahasambarana sy fifaliana maharitra. Anisanlizany fifaliana izany ny fahazoana ny famindrampon'Andriamanitra (Sal. 31:7), ny fametrahana ny fito-kiantsika Aminy (Sal. 5:11), ny fandraisana ireo fitahiam-pamonjena (Sal. 9:14), ny fanekena ny Lalany ho fomba fiainantsika (Sal. 119:14) [ao anatin'izany ny Sabata (Isa. 58:13,14)], ny finoana ny Teniny (Sal. 119:162) ary ny fananana zanaka manana toe-panahy araka an'Andriamanitra (Ohab. 23:24, 25).

Mety ho sarotra tokoa ny fiainantsika, na dia mety mizotra tsara aza izany ankehitriny. Na dia tsy izany aza no miseho amin'izao fotoana izao, Inona no mety ahazoanao fifaliana na tokony hifalianao?

Alatsinainy 02 FEV 2026 - NY FAINAN'I PAOLY TAMIN'NY LASA.

NY FAINAN'I PAOLY TAMIN'NY LASA.

Fanandramana iraisan'ny Kristianina vao niova fo ny fisaintsainana momba ny fiainany taloha sy taorian'ny nandraisany an'i Jesôsy , tahaka izay ataon'i Paoly ao amin'ny Fil. 3. Misy fotoana iresahantsika momba ireo tsy Kristianina ka iantsoantsika azy ireo hoe "olona tsara"; maro anninizy ireny tokoa no tahaka izany raha araka ny fenitr'izao tontolo izao farafahakeliny. Kanefa, rehefa tsaraina amin'ny fenitr'Andriamanitra, dia tsy misy "tsara" na dia iray aza, eny fa na ny Kristianina aza.

Ambaran'i Paoly ao amin'ny Fil. 3:4-6 ny zavatra maro teo amin'ny fiainany izay nampirehareha azy fahiny. Inona avy izany? Inona no holazainao fa "tsara" eo amin'ny fiainanao (taloha sy ankehitriny)?

 

 

Asehon'i Paoly ankolaka eto ny fahasamihafana eo amin'ireo mpino Jiosy izay mampiely fampianarana sandoka sy ireo mpino tsy voafora izay rniantehitra tanteraka amin'i Kristy mba hahazoany famonjena ary koa tsy mitoky amin'ny asan'olombelona tahaka ny famorana (jereo ny Heb. 6:1; Heb. 9:14; ampitahao amin'ny Rom. 2:25-29). Na dia nahatonga an'i Paoly ho mendri-panajana teo anatrehan'ireo Jiosy namany aza ny fiainany tamin'ny lasa sy ny tetiarany, dia tsy misy miantoka ny famonjena azy izany na iray aza. Raha ny marina aza dia nanakana ny famonjena azy ny nanajamban'ireny zavatra ireny azy fahiny ka tsy nahatsapany ny filany anlj Kristy.

Tsy hoe voafora fotsiny i Paoly fa teraka Isiraelita ary anisan'ny vahoakan'ny fanekena, izany hoe noforana tamin'ny andro fahavalo taorian'ny nahaterahany. Ankoatra izany, dia avy amin'ny fokon'i Benjamina izy, foko izay nanana faritany nahitana ireo tanana nanana ny maha-izy azy indrindra teo amin'ny Isiraely. Tsy hoe nahay teny Hebreo fotsiny i Paoly fa mpianatr'i Gamaliela Loholona koa (Asa. 22:3; Asa. 26:4,5); ary amin'ny maha Fariseo azy dia nanam-pahalalana be mikasika ny lalana sy izay tokony hampiharana izany izy, farafahakeliny araka ny fomban-drazana.

Nafana fo tamin'ny fandalana ny lalana tokoa i Paoly ka nanenjika ny fiangonana noho ny fahitany izany ho loza mitatao ho an'ny fomba fiaina jiosy; noheveriny fa izany no nobaikoin'ny lalana hataony. Mahavariana tokoa, fa na dia "tsy nanan-tsiny" aza izy raha ny "fahamarinana" araka ny fihevitr'olombelona, dia takany fa zava-dalina kokoa ny lalana ary be fitakiana tokoa mihoatra noho izay noheveriny, ary raha tsy noho ny amin'i Kristy dia meloka izy eo anatrehan'ny lalana.

Ampitahao amin'ny Mat. 5:21,22,27,28 ny Rôm. 7:7-12. Inona no hevi-dehibe ambaran'i Jesôsy sy i Paoly mikasika ny lalana? Nahoana ny "finoana an'i Kristy" (Fil. 3:9), fa tsy ny lalana, no hany loharanon'ny fahamarinana? Jereo araka izao hevitra izao izany: mitandrina tsara ny lalana ye ianao, farafahakeliny araka izay nolazain'i Jesôsy fa tokony hitandremanao izany?

Talata 03 FEV 2026 - IZAY TENA MANAN-DANJA MARINA

IZAY TENA MANAN-DANJA MARINA

Araka izay hitantsika omaly, dia ireo zavatra izay satria nanajamba azy tsy hahita ny filany an'i Kristy izany. Mampiasa fiteny nampirehareha an'i Paoly fahiny no sakana ho an'ny finoana fampiasa amin'ny varotra i Paoly, tombony sy fatiantoka, mba hanoritsoritana ny fanombanany ny fiainany ara-panahy talohan'ny ninoany an'i Jesosy. Na dia tsy tiantsika loatra aza ny mieritreritra momba ny "boky fitanana an-tsoratra" ny fiainantsika ara-panahy, dia manana izany ny olombelona tsirairay. Ny fanombanan'i Paoly ny fiainany ara-panahy dia nofaritan'ireo soatoavina jiosy tamin izany andro izany fa tsy ny soatoavina ara-Baiboly izay nampianarin'i Jesosy.

Taorian'ny fiovam-pon'i Paoly dia samy hafa tanteraka ny boky fitanana an-tsoratry ny fiainany ara-panahy noho ny fiovana lehibe teo amin'izay omeny tombambidy; niala tamin'ny "mari-karenan""ny fivavahana jodaisma nankamin'ny "mari-karenan'ny lanitra" izany.

"Ilay nidina avy any an-danitra no afaka miresaka momba ny lanitra, sy maneho amin'ny fomba marina ireo zavatra mandrafitra ny mari-karenan'ny lanitra, izay mitondra ny sariny sy ny marika famantarana Azy. Fantany ny loza mananontanona ireo izay nahatonga Azy hidina tety; tonga tety Izy mba hamonjy azy ireo tsy ho tratry ny faharavana sy hanandratra azy ho eo anilany eo amin'ny seza fiandrianany. Ampahafantariny ny loza mety hanjo azy ireo noho ny firaketam-po amin-javatra tsy misy heviny sy mampidi-doza. Ataony izay hanintonana ny sain'izy ireo hiala amin'ny zavatry ny tany ka hifantoka amin'ny zavatry ny lanitra, mba tsy handanian'izy ireo fotoana sy talenta ary tombontsoa fanararaotra amin'ny zava-poana." Ellen G. White, The Advent Review and Sabbath Herald, 1 Jolay 1890.

Milazalaza ny tantaran'ny lehilahy iray hafa izay jamba teo aloha saingy nanjary nahita an'i Jesosy mazava tsara ny Jao. 9. Nambaran'i Jesosy fa tonga eto amin'izao tontolo izao Izy "mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra." - Jao. 9:39. Ahoana no mety hampiharana izany foto-kevitra izany eo amin'ny fiainanao?

Inona ny mety ho sarobidy mihoatra noho ny fiainana mandrakizay any an-danitra sy any amin'ny tany vaovao? Maro ihany anefa no jamban'ireo harena ara-materialy eto amin'izao tontolo izao ka tsy mahita izany fahamarinana izany. Misy fifaninanana mandrakariva eo amin'ireo zavatra omentsika tombambidy ety (jereo ny Mat. 13:22; Lio. 4:5,6; 1 Jao, 2:16) sy izay omen'ny lanitra tombambidy: ny fanahafana an'i Kristy sy ny fanahy maro voavonjy.

Mety hanajamba ny masontsika tsy hahita ireo fahamarinana ara-panahy sy izay tena manan-danja marina izao tontolo izao. Inona kosa ny tsiambaratelo hahafahan'ny masontsika mifantoka amin'izay tena manan-danja?

Alarobia 04 FEV 2026 - NY FINOAN'I KRISTY

NY FINOAN'I KRISTY

Aoka ho voaraintsika tsara ny hevitra tena tian'i Paoly hambara. Nisy takalo manan-danja nataony teny an-dalana ho any Damaskosy; nafoiny tamin'izany ny fiainany teo aloha izay niorina tamin'ny lalana ka nofidiny ny fanatrehan'i Kristy, "mba hahazoako an'i Kristy; ary mba ho hita ao aminy aho" - Fil. 3:8,9.

Fomba fiteny mahaliana tokoa ny hoe: "mba ho hita ao Aminy" izany hoe, ao amin'i Kristy. Vakio ny Efes. 1:4; 2 Kôr. 5:21; Kôl. 2:9 ary ny Gal. 2:20. Raha jerena ireo andalan-tSoratra Masina ireo, inona no heverinao fa tian'i Paoly hambara?

 

 

Niteraka fifanakalozan-kevitra be ny filazan'i Paoly momba ny maha ao amin'i Kristy azy. Tsy mahagaga raha toa izy ihany no mitondra ny fanazavana mazava indrindra ho an'izany: "hahatanteraka ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ety an-tany, dia ho ao aminy." - Efes. 1:10. Izany no fikasan Andriamanitra hatrany am-boalohany. Ary ambaran'i Paoly mazava ny fomba fisehon'izany: "Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika." - 1 Kôr. 1:30.

Mahafaoka ny hevitry ny drafi-pamonjena iray manontolo ny hoe "ao amin'i Kristy", manomboka amin'ny fahaterahan'ny fahalalantsika ara-panahy (fahendrena) izany, mankamin'ny fanamarinana amin'ny finoana (fahamarinana) sy ny fiomaņana ho any an-danitra (fanamasinana) ary farany ho amin'ny fanomezam-boninahitra amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany (fanavotana). Asan'i Kristy hatrany am-piandohana ka hatramin'ny farany ny famonjena - izay ataony ho antsika sy ao anatintsika. Araka izany, dia manana izay rehetra ilaintsika isika rehefa manana an'i Kristy.

Vakio ny Fil. 3:9. Inona ny zavatra roa ampitahain'i Paoly eto, ary nahoana no zava-dehibe ny fahatsiarovana mandrakariva izany fampitahana izany?

 

 

Izay vao takatr'i Paoly fa tsy tena fahamarinana tsy akory ny "fahamarinany" satria tsy afaka mitondra fiainana ny lalana (jereo ny Gal. 3:21,22); i Jesosy irery no afaka manao izany amin'ny alalan'ny finoana, nefa tsy ny finoana rehetra izany. Ny devoly mantsy mba mino koa ary mangovitra (Jak. 2:19). Ny hany finoana mahavonjy dia ny "finoan'i Kristy". Ny finoany irery ihany no naneho fankatoavana tanteraka sy mahay mankatò. (Ny teny grika iantsoana ny finoana, pistis, dia midika koa hoe "fahatokiana"). Noho izany, raha ao amin'i Kristy isika ary raha velona ao anatintsika Izy (Gal. 2:20), dia velona araka ny finoany isika amin'ny alalan'ny finoantsika Azy.

Alakamisy 05 FEV 2026 - ZAVATRA IRAY LOHA: NY FAHALALANA AN'I KRISTY

ZAVATRA IRAY LOHA: NY FAHALALANA AN'I KRISTY

Vakio ny Fil. 3:10-16. Inona avy ireo hevitra asongadin'i Paoly ao anatin'ireo toko sy andininy ireo?

 

 

Azo antoka tokoa fa tsy misy zava-manan-danja bebe kokoa noho ny fahalalana an'i Kristy, izay miantoka ny fahafantarany antsika amin'ny farany sy ny fanekeny antsika eo anatrehan'ny Ray (vakio ny Mat. 7:21-23; Mat. 10:32,33). Fomba ahoana no hahafantarantsika Azy? Amin'ny alalan'ny Teniny voasoratra; ny famakiana sy ny fiainana izany. Tsy afaka ny hahafantatra Azy mivantana tahaka izay nataon'ireo mpianany fahizay isika. Mahaliana anefa fa na dia nahafantatra Azy tsara aza ireo mpianatra, dia tsy mbola nety nahatakatra ny teny nambarany; izany no manasongadina ny filantsika ny Fanahy Masina mba hitarika antsika (jereo ny Jao. 16:13). Arakaraka ny hahafantarantsika Azy no hanakaikezantsika bebe kokoa Azy, satria miaina ny fanandraman'ny "herin'ny fitsanganany tamin'ny maty" isika (Fil. 3:10), izay manangana antsika ho amin'ny "fiainam-baovao" - Rom. 6:4.

Fomba iray hafa hanatonantsika akaiky kokoa an'i Jesosy ny "fiombonana amin'ny fijaliany" Fil. 3:10. Ny fizahan-toetra rehetra izay atrehina, ny fanandramana maharary rehetra izay iaretana, dia manampy antsika hahafantatra sy hankasitraka bebe kokoa ny zavatra nolalovan'i Jesosy noho ny amintsika, ary koa hahatakatra amin'ny fomba mazava kokoa ny teniny sy ny sitrapony.

Ny fomba fahatelo hahafahantsika manakaiky Azy bebe koa dia ny fiezahana "hanatratra ny marika" - Fil. 3:14. Inona moa izany marika izany? Teny anankiray izay tsy ampiasaina afa-tsy ao amin'ny Testamenta Vaovao no nadika araka io voambolana io (skopos), izay manondro ny tsipika fahatongavana amin'ny hazakazaka sy ny loka omena ny mpandresy. Antsoin'i Paoly hoe: "lokan'ny fiantsoan Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy" izany (Fil. 3:14). Tahaka ny niakaran'i Kristy any an-danitra taorian'ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin'ny maty, isika koa dia asain'Andriamanitra mba handray izany valisoa any an-danitra izany, dia ny fiainana mandrakizay.

Mazava loatra fa tsy mbola nahatratra izany marika izany isika. Tsy ho tonga amin'ny tsy fananan-tsiny tanteraka isika raha tsy efa voaova "ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny." - Fil. 3:21. Amin'ny fahafantarantsika Azy sy ny fanasana Azy ho ao amin'ny fiainantsika isan'andro no hiezahantsika hanatratra ny mariky ny fanahafana an'i Jesosy amin'ny fomba rehetra azontsika anaovana izany ankehitriny. Izany koa nо "zavatra iray loha" nokendren'i Paoly. Toy ny mihazakazaka isika (jereo ny 1 Kôr. 9:24-27) ka tsy mifantoka amin'izay toerana nisy antsika teo aloha na izay ao aoriantsika. Ny hany ifantohantsika dia ny zavatra iray eo alohantsika - ilay loka any an-danitra izay miandry antsika. Mazava tokoa ny sary aseho antsika eto: mifantoka tanteraka amin'ny tanjony ny mampiasa ny hozany rehetra sy mirona mankany ny mpihazakazaka ka tsipika manamarika ny fahatongavana. kany aloha mba hahatratra ny

Eo amin'ny fiarahanao mandeha amin'Andriamanitra, nahoana no zava-dehibe ny tsy fitodihana any aoriana, indrindra ny fitodihana hijery ny fahotanao sy ny tsy fahombiazanao, fa mijery any aloha kosa mba hahita izay efa nampanantenaina ho anao ao amin'i Kristy?

 

Zoma 06 FEV 2026 FIANARANA FANAMPINY

"Tokony hitolo-batana tanteraka eo am-pelatanan'i Kristy sy hanokan-tena ho Azy izay te hanana toetra matanjaka sy voarindra tsara, ka ho tonga Kristiana marim-pototra, satria tsy eken'ny Mpanavotra mihitsy ny hananantsika fo mizarazara. Hianarany isan'andro isan'andro ny atao hoe manda tena. Hianarany ny Soratra Masina, ho takatry ny sainy ny tena heviny, hankatoaviny ny fitsipiny; amin'izany no hahatrarany ny fahatanterahana kristiana. Hiara-miasa amin'ny olona isan'andro isan'andro Andriamanitra mba hanamboatra ny toetrany ho tanteraka, sy mba hahazoany miseho eo anatrehany amin'ny fizahan-toetra farany. Haseho ny mpino isan'andro isan'andro, eo anatrehan'izao tontolo izao sy ny anjely amin'ny fanandramana ataony, ny vokatry ny asan'ny filazantsara eo amin'ny mpanota lavo." - VM, tt. 420-421.

"Tokony hiteny amin'izao tontolo izao hoe: 'Indro, Andriamanitrareo' ireo izay miandry ny fiavian'ny Mpampakatra. Ny taratra farany avy amin'ny fahazavan'ny fahasoavana, ny hafatra farany mitondra famindrampo hoentina amin'ny taranak'olombelona, dia fanambarana ny toetra amam-panahy feno fitiavana. Tokony hampibaribary ny voninahiny ny zanak Andriamanitra. Ny fiainan'izy ireo sy ny toetra amam-panahiny dia tokony hanambara izay efa nataon'ny fahasoavan'Andriamanitra ho azy. Tokony hamirapiratra amin'ny tenim-pahamarinana ary amin'ny asam-pahamasinana ny fahazavan'ilay Masoandron'ny Fahamarinana." - HF, tt. 434-435 (ed. 2004).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Saintsaino bebe kokoa ny momba ny hoe "mifaly ao amin'ny Tompo." Mariho fa tsy hoe "mifalia ao amin'ny fizahan-toetra anareo (na dia ara-Baiboly koa aza izany) izany, fa "ao amin'ny Tompo." Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fibanjinana ny Tompo mandrakariva sy ny fahatsarany, ny heriny, ny fitiavany ary ny famonjeny? Nahoana no hitondra soa ho anao tokoa ny fanaovana izany, manoloana ireo fizahan-toetra tsy maintsy atrehina eo amin'ny fiainana?

 

 

2. Mariho ny andalan-tenin'ny fanahin'ny faminaniana etsy ambony izay manoritsoritra ny anjara asan'ny fahasoavana Izay miteraka ny "asa tsara" ataontsika amin'ny maha Kristianina antsika. Izany hoe, na dia tsy vonjena amin'ny asa aza isika, moa ve voavonjy tokoa raha tsy eo ireny?

 

 

3. Halalino bebe kokoa ny momba ny tsy fitokiana amin'ny nofo. Inona no hevitr'izany? Nahoana isika no tsy tokony hitoky amin'ny nofo? Moa ve tsy fanomezana avy amin'Andriamanitra ny nofontsika?

TARI-DALANA HO AN'NY MPAMPIANATRA

Fizarana I: Topimaso

Tsianjery: Filipi 3:10, 11

Toko fototry ny fianarana: Filipi 3

Taorian'ny nanamafisany fa ny mpino dia mamirapiratra eto amin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fanaovana asa tsara mifantoka amin'i Kristy, dia mamily ny saina any amin'ny filàna hitoky amin'i Kristy irery ihany ho famonjena i Paoly izao. Maneho ahiahy ny Apôstôly ny amin'ny herin'ireo mpampianatra sandoka izay nampiroborobo ny fomba fiasa mifototra amin'ny nofo, ka nanamodivana ny hafatra momba ny Filazantsara sy nampidi-doza ny fiangonana kristiana manontolo tany Filipi. Toa nisy endrika fampianaran-diso, nitovy tamin'izay tany Galatia, namorona fisavoritahana momba ny zavatra tokony hinoan'ny Kristiana jentilisa sy ny tokony hataony mba hovonjena.

Nandray izany ho raharaha lehibe dia lehibe i Paoly. Raha ny marina, ny hafatry ny Filazantsara no tandindomin-doza! Tena manahy mafy amin'ny fidiran'ireo mpampianatra sandoka sy ny fampianarany i Paoly ka niantso azy ireo ho "amboa" sy "mpanao ratsy" (Fil. 3:2). Teny mahery ireo, nampiasaina hanehoana fanamavoana sy fanoherana. Tamin'ny famahana ireo olana tany Filipi ireo, i Paoly dia nanome lesona sarobidy momba ny fomba hiatrehana ny fampianaran-diso. Ireo lesona ireo dia tena manan-danja ho an'ny fiangonana ankehitriny. Rehefa dinihina tokoa, na amin'ny ambaratonga lehibe na kely, ny fiangonantsika rehetra dia iharan'ny fanafihan'ny mpampianatra sandoka.

Ny lesona amin'ity herinandro ity dia manasongadina lohahevitra lehibe telo:

  1. Ny fifaliana ao amin'ny Tompo no mifanohitra amin'ny fitokisana amin'ny herin'olombelona.

  2. Ny fiovam-po marina dia mitarika ho amin'ny fiovana tanteraka: miala amin'ny fahatokiana ny nofo ho amin'ny fahatokiana an'i Kristy.

  3. Ny fahalalana an'i Kristy dia traikefa mitohy. Rehefa manatona Azy bebe kokoa isika, dia hihalalina hatrany ny fifandraisantsika Aminy. Tsy maintsy mitohy mitombo ny fifandraisana amin'i Kristy mandra-pahatongan'ny andro hahitantsika Azy mifanatrika.

Fizarana II: Fanazavana

Fanoharana

"Nampanantena an'i John Huss ny mpanjakan'i Italia sy ny mpanjakan'i Bohemia fa ho voambina tsara sy ho voaro izy mandritra ny fitaterana azy. Nanapaka ny fampanantenany anefa izy ireo, ary maty martira i Huss. I Thomas Wentworth kosa nitondra tahirin-kevitra nosoniavin'ny Mpanjaka Charles I izay nanao hoe: 'Araka ny tenin'ny mpanjaka, dia tsy hiharan'ny fahavoazana amin'ny ainao, ny voninahitrao, na ny fanananao ianao.' Fotoana fohy taorian'izay anefa, dia io mpanjaka io ihany no nanao sonia ny didy ho faty ho azy. 'Aza matoky ny mpanjaka,' no teniny farany. 'Tsara kokoa ny mitoky amin'ny Tompo' noho ny amin'ny hafa na inona na inona." —Paul Lee Tan, Encyclopedia of 7,700 Illustrations, p. 1525.

Ny Fifaliana ao amin'ny Tompo sy ny Fitokisana ny Nofo

Ao amin'ny Filipi 3:1–3, i Paoly dia mampiditra fampitandremana amin'ny fieboeboana amin'ny zava-bitan'olombelona. Ny famporisihana hoe "Mifalia ao amin'ny Tompo" ao amin'ny andininy voalohany dia maneho hevitra hita matetika ao amin'ny Testamenta Taloha, indrindra ao amin'ny bokin'ny Salamo. Anisan'ny ohatra misongadina ny: Sal. 21:1; Sal. 32:11; Sal. 64:10; Sal. 86:4; Sal. 92:4; Sal. 104:34; Sal. 126:3. Raha ny marina, ny fifaliana ao amin'ny Tompo dia didy asongadina matetika manerana ny bokin'ny Deoteronomia (jereo Deo. 12:7, 12, 18; 14:26; 16:11, 15; 26:11; 27:7).

Ao amin'ny dikan-teny sasany, ny hevitry ny hoe fifaliana dia miseho in-droa: "mifalia ao amin'ny Tompo" (Fil. 3:1) sy "mifaly ao amin'i Kristy Jesosy" (Fil. 3:3). Na izany aza, ny soratra tany am-boalohany amin'ny teny grika dia mampiasa teny roa samy hafa. Ao amin'ny Filipi 3:1, i Paoly dia mampiasa ny teny hoe chairō, izay maneho fahasambarana sy fahatsarana. Etsy ankilany, ao amin'ny Filipi 3:3, i Paoly dia mampiasa ny teny hoe kauchaomai, izay matetika adika hoe "mirehareha" na "manao ho voninahitra". Ny matoanteny kauchaomai dia mitondra heviny lalina kokoa momba ny firavoravoana noho ny chairō.

Noho izany, ny andian-teny ao amin'ny Filipi 3:3 dia azo adika koa hoe "mirehareha ao amin'i Kristy Jesosy". Mampiasa teny mahery i Paoly mba hanazavana fa ny fitokisana an'i Kristy sy ny fianteherana amin'ny ezak'olombelona dia zavatra roa tsy mifanaraka: ny iray manafoana ny iray! Amin'izany heviny izany, ny fomba fitenin'i Paoly dia mitovy amin'izay lazainy ao amin'ny Galatiana 6:13, 14. Mananatra an'ireo izay mirehareha amin'ny nofo i Paoly ary manamafy fa ny hany antony ireharehany dia ny hazo fijalian'i Kristy.

Nampiasa ny teny hoe "nofo" i Paoly ao amin'ny Filipi 3:3 mba hanondroana ny ezak'olombelona atao amin'ny tanjona hahazoana famonjena. Kanefa, raha resaka famonjena no resahina, dia "tsy mitoky amin'ny maha-izy azy ny olombelona isika". Tena miankina tanteraka amin'i Kristy isika. Ny fifaliana "ao amin'ny Tompo" (Fil. 3:1) sy ny fireharehana "ao amin'i Kristy Jesosy" (Fil. 3:3) dia hevitra mitovy, tahaka ny hita ao amin'ny Salamo 34:2.

Avy amin'ny Fitokisana ny Nofo ho amin'ny Fitokisana an'i Kristy

Ny fampitandremana amin'ny fireharehana amin'ny zava-bitan'olombelona (Fil. 3:1–3) dia miitatra ao amin'ny Filipi 3:4–6. Tsara homarihina fa ny andian-teny hoe "mitoky amin'ny nofo" dia hevitra fototra hita in-telo ato. Ao amin'ny Filipi 3:5, 6, dia manolotra antony fito i Paoly izay naha-ara-dalàna azy kokoa noho ny hafa hitoky amin'ny nofo: (1) "voafora tamin'ny tamin'ny andro fahavalo", (2) "avy amin'ny fototr'Isiraely", (3) "avy amin'ny firenen'i Benjamina", (4) "Hebraika avy amin'ny Hebraika", (5) Fariseo, (6) mpanenjika ny fiangonana, ary (7) tsy manan-tsiny. Ny famorana no manomboka ny lisitra, ary ny tsy fananan-tsiny no mamarana azy. Toa nino i Paoly fa ny ezaka nataony no hiantoka ny famonjena azy. Kanefa, rehefa nifanena tamin'i Kristy izy, dia tsapany fa tsinontsinona ny zava-bitany mba hahazoana famonjena.

Ao amin'ny Filipi 3:7–9, i Paoly dia mampitaha ny fiainany taorian'ny fiovam-po tamin'ny traikefany taloha. Ny teny hoe "tombony" sy "fatiantoka" (na "tsy ampy") no misongadina. Ny andininy faha-7 sy faha-8 dia voalamina amin'ny fomba mifanindran-dalana (chiasme) mba hanasongadinana ny fiovana tanteraka eo amin'ny fisainan'i Paoly. Ny fahalalana an'i Kristy no nitondra ny zava-drehetra tamin'ny fiainan'i Paoly ho amin'ny fomba fijery marina. Niala tamin'ny fitokisana ny nofo izy ka nankamin'ny fitokisana an'i Kristy (Fil. 3:8), niala tamin'ny fahamarinana mifototra amin'ny lalàna nankamin'ny fahamarinana mifantoka amin'i Kristy, izay miankina tanteraka amin'ny finoana ny fahasoavan'Andriamanitra (Fil. 3:9).

Ny Fahalalana an'i Kristy dia Traikefa Mitohy

Ao amin'ny Filipi 3:10, dia nambaran'i Paoly fa ny tanjona faratampon'ny fiainany dia ny hahafantatra an'i Kristy. Ny filazany ny fijalian'i Kristy, ny fahafatesany, ary ny fitsanganany tamin'ny maty dia milaza fa ny fahafantarana an'i Kristy dia tsy fahalalana ara-tsaina fotsiny fa traikefa ara-pifandraisana ao anatin'ny dingan'ny fitomboana miandalana.

Ankoatra izany, fantatr'i Paoly fa ny fahalalana feno kokoa an'i Kristy dia tsy ho tratra raha tsy amin'ny fitsanganan'ny maty (Fil. 3:10, 11). Izany no tontolon'ny teny ao amin'ny Filipi 3:12 hoe: "Tsy tahaka ny efa nahazo sahady aho, na efa tonga amin'ny tanteraka sahady". Manazava ny fomba hikatsahany izany tanjona izany i Paoly amin'ny filazana fa misy zavatra roa loha: (1) manadino "izay zavatra any aoriana" izy, ary (2) miezaka "hanatratra izay zavatra any aloha" (Fil. 3:13). Antsoiny hoe "zavatra iray loha" izany. Ity zavatra iray ity dia atosiky ny tanjona mazava: ny hanatratra "ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy" (Fil. 3:14). Ny loka sy ny fiantsoana dia manondro zavatra iray ihany: ny fitsanganan'ny maty, izay fotoana hahafantaran'i Paoly an'i Kristy feno. Mandra-pahatongan'izany, ny mpino dia antsoina hitombo hatrany amin'ny fahalalana an'i Kristy.

Fizarana III: Fampiharana eo amin'ny Fiainana

Saintsaino ireto lohahevitra manaraka ireto, ary angataho ny mpianatra hamaly ny fanontaniana eo amin'ny farany.

  1. Mampianatra mazava ny Baiboly fa ny famonjena antsika dia tsy miankina amin'ny ezaka ataontsika. Ity fampianarana ity dia antony lehibe hifaliana ao amin'ny Tompo isan'andro. Rehefa dinihina tokoa, raha niankina tamin'ny asa tsara ny famonjena, dia tsy ho nanana fanantenana isika! Ny fifaliana dia ny valin-tenintsika amin'izay nataon'Andriamanitra ho antsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy.

  2. Ao amin'ny fiainan'ny mpino marina, tsy misy toerana ho an'ny fireharehana amin'ny zava-bitan'olombelona. Ny fitoviana amin'i Kristy no tonga tanjon'ny fikatsahana, ary ny asa tsara dia tonga ho azy ho vokatr'izany.

  3. Amin'ny maha-Kristiana antsika, dia mbola eo am-panamboarana isika. Izany no tian'i Paoly holazaina tamin'ilay hoe: "Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hamita izany mandra-pahatongan'ny andron'i Jesosy Kristy" (Fil. 1:6).

Fanontaniana:

  1. Saintsaino ny hevitra hoe tsy miankina amin'ny asa tsara ataontsika ny famonjena antsika. Nahoana no vaovao mahafaly izany? Nahoana izany no tokony hanome antsika fanantenana?

  2. Maro ny olona voafandriky ny fankahalana ny tenany sy ny fanamelohana ny tenany noho ny fahotany taloha. Na dia manaiky ny famelan-kelok'i Kristy aza ny sainy, dia mbola tsy tafalatsaka ao am-pony izany. Saintsaino ny hevitra hoe tsy maintsy manadino "izay zavatra any aoriana" isika. Inona ny alalana mahagaga omen'izany didy izany antsika? Nahoana io toromarika io no manome fahafahana sy fanasitranana ho an'ny fon'olombelona?

Famintinana ny Lesona Sekoly Sabata Lehibe miaraka amin'ny Hopefy Radio

Mivoaka isaky ny Alarobia....

Lesona 5 Q 1 2026 Mamirapiratra Toy Ny Fahazavana Anatinny Aizina Dr Jean Jacques A Mp 3
Audio – 27.4 MB 14 downloads
Lesona 4 Q 1 2026 Firaisan Tsaina Ao Anatinny Fanetren Tena Famerenana Dr Benoit Rakotovao Mixdown Mp 3
Audio – 25.3 MB 13 downloads
Lesona 3 Q 1 Fiainana Sy Fahafatesana 2026 Famerenana Dr Jj Mixdown Mp 3
Audio – 29.1 MB 26 downloads
Lesona 2 Q 1 2026 Antonny Fisaorana Sy Ny Fivavahana Dr Benoit Rakotovao Mixdown Mp 3
Audio – 37.1 MB 33 downloads
Lesona 1 Q 1 2026 Nenjehina Nefa Tsy Nafoy Famerenana Dr Jj Mixdown Ok Mp 3
Audio – 16.8 MB 46 downloads

Tahiry MP3 ny Lesona lasa:

© General Conference of Seventh-day Adventists®


NY TANTARAN'NY NIAINAN'I JESOSY KRISTY TETO AN-TANY         E.G WHITE

(Document ilaina hanomananao ny lesona SS na hanomananao toriteny)

Fonon'ny Boky Ny Fijalian'i Kristy
Ny Fijaliani Kristy Mg Pdf
PDF – 4.6 MB 272 downloads

LESONA SEKOLY SABATA TANORA ZOKINY

© General Conference of Seventh-day Adventists®


ADULT SABBATH SCHOOL

© General Conference of Seventh-day Adventists®


Hope Sabbath School

Click to watch Hope Sabbath School TV

Click the image to see all the ressources: Lesson reading, Video, Audio, PDF, PPT, Mission story and video.

ADVENTIST MISSION 

Click the Bold title to watch movie about Adventist Mission this next Sabbath.

Add comment

Comments

There are no comments yet.

If you would like to leave us any feedback, please email us at: info@fanantenanahoanao.org