NY FANOMEZAM-PAHASOAVAN'NY FAMINANIANA

FAMPIDIRANA

Ny Fanomezam-pahasoavan'ny Faminaniana

Nanomboka nahatakatra bebe kokoa ny fahaizan’ny zazakely amin’ny fianarana teny ny mpahay siansa momba ny ati-doha (neuroscientists). Rehefa enim-bolana monja ny zazakely iray, dia efa afaka mamantatra sy mahatakatra ireo feo mandrafitra ny teny anglisy, na ireo teny avy amin’ireo fiteny tenenina mihoatra ny 7 000 maneran-tany. Raha ampahafantarina azy ny fiteny faharoa, dia afaka mianatra izany fiteny izany koa izy.

Mandritra io vanim-potoana io, dia toy ny misy varavarana ara-tsaina mistery misokatra ao amin’ny sain’ny zazakely, ka ahafahany manavaka ireo feo 40 eo ho eo izay matetika mandrafitra ny fitenin-drazany, amin’ireo feo 800 samihafa izay azony tsapain-tanana hatramin’ny nahaterahany. Saingy misy fepetra iray: tsy maintsy iresahana ny zazakely. Azo lazaina hoe lesona voalohany amin’ny feo sy fiteny ho an’ny zaza vao teraka izany.

Nahoana Andriamanitra no namorona antsika hanana izany fahaizana mahatalanjona izany amin’ny fandrenesana sy fianarana teny, raha tsy nikasa ny hiresaka amintsika Izy?

Mazava ho azy fa fanontaniana mitaky valiny efa fantatra izany. Satria hoy ny Baiboly:

“Andriamanitra, izay niteny tamin’ny razantsika fahiny, tamin’ny fotoana maro sy tamin’ny fomba maro, tamin’ny alalan’ny mpaminany, dia efa niteny tamintsika amin’izao andro farany izao tamin’ny alalan’ny Zanany, izay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, ary Izy koa no nanaovany izao tontolo izao.”
— Hebreo 1:1–2

Rehefa nandrava ny fifandraisana akaiky teo amin’i Adama sy Eva tamin’Andriamanitra ny fahotana, dia tsy nanary azy ireo Andriamanitra, ary tsy namela azy mivady lavo hirodana sy handrava ny tenany. Fa Izy mihitsy no nitady azy ireo, ka nanontany an’i Adama hoe:

“Aiza ianao?”
— Genesisy 3:9

Avy eo dia nanambara faminaniana momba ny fahatongavan’Ilay iray izay hamonjy izao tontolo izao amin’ny fahotana Izy (Gen. 3:15).

Hatramin’ny niandohany, dia teo amin’ny Edena, taorian’ny Fahalavoana, ny faminaniana dia nanandratra an’i Jesosy ary nitarika ireo mpanota ho Aminy, satria Izy irery ihany no fanantenan’izy ireo.


Ny zavatra hianarantsika amin’ity telovolana ity

Amin’ity telovolana ity dia hianarantsika ny momba ny fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana—izany fomba mahatalanjona noforonin’Andriamanitra izany mba hampitana ny sitrapony sy ny lalany amin’ny olombelona lavo, izay tsy afaka mifandray mivantana sy mifanatrika Aminy intsony.

Io fanomezana manokana avy amin’ny Fanahy Masina io dia voalaza misongadina ao amin’ny:

  • 1 Korintiana 12
  • 1 Korintiana 14
  • Efesiana 4
  • Romana 12

Ny Fanahy Masina no Mpizara lehibe izany sy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy rehetra, satria:

“Fa izany rehetra izany dia ataon’ny Fanahy iray ihany, ka Izy no mizara amin’ny olona tsirairay avy araka izay sitrapony.”
— 1 Korintiana 12:11

Nandritra ny tantara, ireo olona nomena fanomezam-pahasoavana ara-panahy dia nampita hafatra avy amin’Andriamanitra mba hamerenana sy hanavaozana ny fifandraisan’ny olombelona amin’Andriamanitra, tahaka ny nataon’Andriamanitra tao Edena taorian’ny Fahalavoana.


Ahoana no iantsoan’Andriamanitra ny mpaminany?

Hianarantsika ny fomba iantsoan’Andriamanitra ny mpaminany, ary koa ny fomba ahafahantsika mitsapa sy mamantatra raha tena mpaminany marina izy ireo.

Ho hitantsika ihany koa:

  • ny fitoviana sy ny fahasamihafana misy eo amin’ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha sy ireo ao amin’ny Testamenta Vaovao;
  • ny fomba fiasan’ny fanambarana (revelation) sy ny fitaomam-panahy (inspiration) eo amin’ny fiainan’ny mpaminany;
  • ny fomba samihafa ampiasain’Andriamanitra hampitana ny hafany.

Ny mpaminany sasany dia niteny, ny sasany kosa nanoratra, ary ny sasany dia nanao izany roa izany.

Hodinihintsika koa ireo fomba hafa ampiasain’Andriamanitra hifandraisana amin’ny olombelona, ny hevitr’izany, ary ireo fitahiana azo avy amin’ny fankatoavana ireo hafatra nampitain’ny mpaminany.


Ireo tanjona dimy lehibe ampiasan’Andriamanitra ny fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana

Mampiasa ny fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana Andriamanitra noho ny antony lehibe dimy:

1. Hampahafantatra ny Tenany, ny fahamarinany ary ny sitrapony amin’ny olombelona lavo.

2. Hanome fahatakarana sy torohevitra momba ireo zava-dehibe sy tranga hitranga.

3. Hanomana sy hampitaovana ny tenan’i Kristy—izany hoe ny Fiangonana—ho amin’ny iraka nampanaovina azy.

4. Hanome fampaherezana ara-panahy ho an’ireo mpanara-dia Azy.

5. Hamoha ny fon’ny mpanota sy hiantso azy ireo hibebaka.

Ankoatra izany, ny “fanahin’ny faminaniana” dia iray amin’ireo famantarana roa mampiavaka ny fiangonan’Andriamanitra sisa amin’ny andro farany (Apok. 12:17; 19:10).


Ny fanomezam-pahasoavana ho an’ny andro farany

Tena maniry ny hitarika soa aman-tsara ireo very hiverina any an-trano Andriamanitra, ka izany no mahatonga ny fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana mbola omena amin’ny andro farany koa (Joela 2:28–31).

Ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia mino—ary manana antony matanjaka iorenan’izany finoana izany—fa Ellen G. White, izay iray tamin’ireo nanorina ny Fiangonana, dia nampiseho tamin’ny andron’ny maoderina ny fiasan’io fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana io.

Izany no antony, ankoatra ny fianarantsika ny fanomezam-pahasoavana momba ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina, dia isaky ny Zoma ihany koa no handinihantsika ny fizotry ny fiantsoana an’i Ellen G. White ho amin’ny asa fanompoana ara-paminaniana.

Isika amin’ny maha-Fiangonana antsika dia nomena izany fanomezana mahafinaritra izany. Koa ahoana no fomba tsara indrindra hampiasantsika azy?


Mila mihaino ny tenin’Andriamanitra isika

Eny, hatramin’ny fahazazantsika dia natao ho amin’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny teny isika. Mila iresahana isika mba hivoatra sy hianatra.

Koa zava-dehibe tokoa ny mihaino izay lazain’ireo mpaminanin’Andriamanitra amintsika!


Momba ity Torolalana Fianarana Baiboly ity

Ity Torolalana Fianarana Baiboly ho an’ny Sekoly Sabata ho an’ny Olon-dehibe ity dia novokarin’ny ekipan’ny asa fanompoana ao amin’ny White Estate, izay any Silver Spring, Maryland.

Amin’ny alalan’ny fampahafantarana sy fizarana amin’izao tontolo izao ny asa fanompoana ara-paminanian’i Ellen G. White sy ireo asa sorany, ny Ellen G. White Estate, Inc. dia manohana ny iraka ampanaovina ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito—dia ny hanandratra an’i Jesosy Kristy sy ny Teniny.

FANAFOHEZAN-TENY AMPIASAINA MANDRITRA NY FIANARANA

ARSH Adventist Review and Sabbath Herald

PM Patriarika sy Mpaninany/Patriarchs and Prophets, EGW

b. boky

CWE Counsels to Writers and Editors, EGW

RH Review and Herald, EGW

SL The Sanctified Life, EGW

SDABC Seventh-Day Adventist Bible Commentary

DIEM Madagasikara Dikanteny lombonana eto

ST The Signs of the Times, EGW

DHK Ny Dia ho eo amin'i Kristy/ Steps to Christ, EGW

TF Ny Tantaran'ny Fanavotana / The Story of Redemption, EGW

ed Edisiona

EGW Ellen Gould White

TFC Testimonies For the Church, EGW

TFM Torolalana ho amin'ny Fahaizamitantana/Counsels on Stewardship, EGW

Ev Evangelism, EGW

FK Fanabeazana Kristianina/Education, EGW

TlK Talohan'i Kristy

FLB The Faith I Live By, EGW

GAG God's Amazing Grace, EGW

Trk Taorian'i Kristy

HM Hery Mifanandrina/ The Great Controversy, EGW

TT Testamenta Taloha

TV Testamenta Vaovao

IFM Ilay Fitiavana Mandresy/ The Desire of Ages, EGW

t. takila

tt. takila roa fara fahakeliny

UL The Upward Look, EGW

L Letter, EGW

VM Vavolombelona Mahery/The Acts of

LU Lift Him Up, EGW

the Apostles, EGW

Ms Manuscript, EGW

Natontan'ny Trano Pirinty Advantista Soamanandrariny

BP 1134 Antananarivo 101 Lalam-pirenena mankany Toamasina (RN2), PK6 Tel. 037 37 11044-037 37 107 25-034 86 606 99 mail impriad@mea.adventist.mg

Voatolotra ara-dalana: DL: 860-D/03.26 Ny natonta: 14 800 isa

Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO

Sabata 17 OKTOBRA 2026 - FAMPIDIRANA

Fampidirana - IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO

Hodinihina mandritra ny herinandro:

Mat. 16:13-16; Efes. 2:20; Apôk. 22:6; Lio. 2:36-38; Asa. 21:9; Efes. 6:10-18.

Tsianjery

"Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra." - 1 Kôr. 12:4-6.

Nandeha fiara ny raim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy. Izy no teo amin'ny familiana ary ny zanany kosa nanara-maso tsara ireo fiara mandalo mba hahitany izay mitovy amin'ny an-drainy. Avy eo, nanondro fiara iray ny rainy sady nihoraka hoe: "Tsy misy hafa amin'iny fiara iny anaka ny fiarako voalohany!" Rehefa nody tany an-trano izy ireo, dia navoakan'ilay raim-pianakaviana ny boky kely taridalana ho an'ilay fiarany voalohany, sy ny an'ilay fiara ampiasainy ankehitriny. Nasehony tsara ny zanany ny toetoetran'ny fiara tsirairay, ka nasongadiny ny mampitovy azy sy ireo zavatra novana. Kanefa rehefa nampitahaina ny moteran'izy roa, dia hita fa nitovy tanteraka. Betsaka ny zavatra niova, afa-tsy ny motera.

Niteny tamin'ny alalan'ireo mpaminany ao amin'ny TT sy ny TV Andriamanitra, ary mifampitohy sy mirindra tsara ny hafatr'izy ireo satria Fanahy Masina iray ihany no Loharanon'ny tsindrimandrin'Andriamanitra — Izay tsy miova, toy ilay "motera". Manome hery mandrakariva ny mpaminany marina ny Fanahy Masina, amin'ny alalan'ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana. Izy koa no manao an'i Kristy ho ivon'ny hafatry ny mpaminany, araka izay voambara mazava ao amin'ny Hebreo (Heb. 1:1-3).

Hodinihintsika amin'ity herinandro ity, ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana ao amin'ny Testamenta Vaovao. Inona no nataon'ireo mpaminany? Inona no itovian'ny mpaminany amin'ny apostoly? Ary inona no maha zava-doza ny mpaminany sandoka?

Alahady 18 OKTOBRA 2026 - JESOSY, AMIN'NY MAHA MPAMINANY AZY

JESOSY, AMIN'NY MAHA MPAMINANY AZY

Nambaran'i Mosesy mialoha hoe: "Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin'ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan'i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo" - Deo. 18:15. Iza moa izany mpaminany izany? Ny Soratra Masina ihany no manazava fa nanondro an'i Jesosy izany. "Jesosy, (...) izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminany masina (...) Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy; Izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo." - Asa. 3:22; jereo koa ny Jao. 6:14.

Inona no ifandraisan'i Jesosy amin'ny faminaniana? Ahoana no namaliana izany fanontaniana izany tamin'ny andron'i Jesosy? (Mat. 16:13-16; Mar. 8:27-29; Lio. 9:18-20).

I Jesosy, amin'ny maha Kristy na Mesia Azy, no Ilay tondroin'ireo mpaminany rehetra ao amin'ny TT. Ao amin'ny TV dia ekena ho fahatanterahan'ireo faminaniana momba ny Mesia i Jesosy. Manambara ny Tenany ho Ilay tondroin'ireo faminaniana momba ny Mesia Izy ao amin'ny Lio. 24:13-35.

Raha ny marina, ny fanoritsoritana ny Teny ao amin'ny Jao. 1:1-5 dia tsy manondro olombelona na mpaminany tsotra fotsiny. Ny Teny eto dia aseho ho Mpamorona, satria "Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza." - Jao. 1:3. Izany hoe, nahary ny zavatra rehetra Izy, dia izao tontolo rehetra izao, izay tombanana ho 93 lavitrisa taon-kazavana eo ny sakany ankehitriny.

Isaky ny voalaza hoe: "Ary Andriamanitra nanao hoe" ao amin'ny Gen. 1, dia mandre an'i Jesosy miteny isika. Ilay nanao hoe: "Misia mazava" - Gen. 1:3, no ilay "fanazavana ny olona" - Jao. 1:4, ary nandroaka ny haizina teto an-tany tamin'ny alalan'ny drafi-panavotana Izy (Jao. 1:4,5).

Azo antoka sy voamarina ny teny faminaniana avy amin'Andriamanitra. Rehefa tandremana izany teny izany, dia "toy ny jiro mahazava ao amin'ny toerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro" - 2 Pet. 1:19. Hitondra fahazavana hatrany ho an'ity tontolo feno fahotana ity ny faminaniana mandra-panorin'i Jesosy - Ilay "Kintana fitarik'andro" sy Loharanon'izany fahazavana ara-paminaniana izany - ny fanjakany mandrakizay.

Mandra-pahatonga izany dia manolotra fiainana mandrakizay ho antsika rehetra i Kristy amin'ny alalan'ny fiainany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty. Ny hany fanontaniana mipetraka dia ny hoe: handray izany ve isika sa tsia?

Saintsaino ny hoe: I Jesosy, Ilay Mpamorona (Jao. 1:1-3) ihany no Ilay maty teo amin'ny hazo fijaliana noho ny fahotanao. Inona no ambaran'izany fahamarinana mahagaga izany momba ny maha zava-misy ny fitiavan'Andriamanitra antsika?

Alatsinainy 19 OKTOBRA 2026 - NY APOSTOLY SY NY MPAMINANY

NY APOSTOLY SY NY MPAMINANY

Resahina ao amin'ny TV ny asan'ny mpaminany sy ny apostoly. Araka ny hevitry ny teny grika hoe apostolos, ny apostoly dia "mpitondra hafatra", na "olona nirahin'Andriamanitra". Ao amin'ny filazantsara dia manondro ireo mpianatr'i Jesosy 12 lahy ny teny hoe "apostoly". Manohana izany hevitra izany ny TV manontolo ary manondro olona maro hafa ho apostoly koa, ankoatra ny mpianatr'i Kristy tany am-piandohana.

In-12 ao amin'ny epistiliny no ilazan'i Paoly ny tenany ho apostoly. Ao amin'ny Rôm. 1:1,2 dia ampifandraisiny amin'ny votoatin'ny toriteniny ny fiantsoana azy ho apostoly, ary koa amin'ny hafatr'ireo mpaminany ao amin'ny TT. Nanambara ny tenany ho apostolin'ny Jentilisa i Paoly (Rôm. 11:13). Voantso "noho ny sitrapon'Andriamanitra" izy - 1 Kôr. 1:1.

Tsy tahaka ireo mpisorona izay ny taranany ihany no mandimby azy amin'ny asany, Andriamanitra kosa dia manendry mpaminany sy apostoly araka ny sitrapony. Rehefa nisy nisalasala ny maha apostoly an'i Paoly, dia nanazava momba ny fiantsoana azy izy (1 Kôr. 9:1,2). Ho an'i Paoly dia miorina eo amin'ny asan'i Kristy, Ilay fanorenan'ny fiangonana, ny maha apostoly azy (Efes. 2:20). Amin'ny maha mpandray ny fanambarana avy amin'Andriamanitra azy, dia nomena tsindrimandry mitovy amin'ny an'ny mpaminany ny apostoly (Efes. 3:1-5).

Ho an'i Petera, araka ny voalazany ao amin'ny 2 Pet. 3:1,2, ireo mpaminany dia olona tonga talohany, ary manan-danja lehibe ny teniny. Ary ankehitriny ny apostoly dia aseho ho toy ny manana fahefana mitovy amin'izany koa. Resahina ao amin'ireo andininy ireo ny andron'ny Testamenta Taloha sy Vaovao. Mpitondra ny hafatr'Andriamanitra tamin'ny andron'ny TT ny mpaminany, ary ny apostoly no mpitondra hafatra nirahin'Andriamanitra tamin'ny andron'ny TV; kanefa nisy koa olona naminany na nampiasa ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana nefa tsy apostoly. Ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana dia tsy voafetra ho an'ny apostoly ihany tamin'ny andron'ny TV. Ary tsy ny mpaminany rehetra koa no apostoly (Asa. 15:32).

Araka ny Efes. 2:20 sy ny Efes. 3:5, inona no ifandraisan'ny asan'ny apostoly sy ny mpaminany amin'i Kristy sy ny fiangonana?

 

 

Ary araka ny fantatsika koa rehefa mamaky izay nosoratan'ireo apostoly ao amin'ny TV, dia i Jesosy no ivon'izany ankapobeny. Ny fiainan'i Jesosy, ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin'ny maty, ny fanompoana ataony amin'ny maha Mpisoronabe Azy, ary ny fiverenany no tena ifantohan'izy ireo indrindra.

Ny Baiboly no hany firaketana ofisialy ananantsika momba ny tenin'ireo apostoly sy ny mpaminany mikasika an'i Jesosy sy ny fiainany ary ny asany. Nahoana, araka izany, no tokony hanana ny fahefana faratampony ny Baiboly amin'izay inoantsika momba an'i Jesosy sy ny fahafatesany ho antsika?

Talata 20 OKTOBRA 2026 - NY ASAN'IREO MPAMINANIN'NY TV

NY ASAN'IREO MPAMINANIN'NY TV

Inona no lazain'ny 1 Kôr. 14:3, Efes. 4:11-13, ary ny Apôk. 22:6 amintsika momba ny anjara asan'ireo mpaminany ao amin'ny TV?

 

 

Ireo andininy ireo, na dia manampy ny fahatakarantsika aza, dia tsy ahitantsika amin'ny fahafenoany ny asa rehetra nataon'ireo mpaminany ao amin'ny TV. Ny ankamaroan'ny zavatra nataon'izy ireo kosa dia maneho taratra izay efa nataon'ireo mpaminany ao amin'ny TT ihany, ka mahatonga fitohizana eo amin'ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana.

Tanisaina miaraka amin'ireo fanomezam-pahasoavana hafa ny faminaniana ao amin'ny 1 Kôr. 12:10. Ao amin'ilay sary an'ohatra momba ny tenan'i Kristy (1 Kôr. 12:27,28), ny mpaminany dia tononina aorian'ny apostoly, izay nandray fanambarana avy amin'Andriamanitra koa. Araka ny 1 Kôr. 14:3: "izay maminany kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana."

Ny Efes. 4:11-13 dia mitanisa fanomezam-pahasoavana mitovitovy amin'izany koa, tahaka ny ao amin'ny 1 Kôr. 12. Tononina miaraka amin'ny apostoly, ny evanjelista, ny mpiandry ary ny mpampianatra, ny mpaminany (Efes. 4:11). Ny antom-pisian'ireo olona ireo dia "ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy." - Efes. 4:12,13. Araka ny hita eto sy any an-kafa dia i Jesosy no ivon'ny hafatr'izy ireo.

Miresaka momba ny mpaminany roa lahy, Joda sy Silasy (tsy nanoratra boky ao amin'ny Baiboly izy ireo), ny bokin'ny Asan'ny Apostoly, izay "namporisika ny rahalahy tamin'ny teny maro izy ka nampahery azy" - Asa. 15:32. Marina fa tsy maintsy manao fampitandremana, indraindray hentitra, ny mpaminany, nefa — arakaraka ny toe-javatra — dia manao teny fampaherezana koa izy ireo, indrindra ao anatin'ny fitsapana, teny izay azo antoka fa nankasitrahan'ireo izay nila fatratra ny nandre izany, mbamin'ny fanantenana sy ny teny fikasana voarakitra ao anatiny.

Voaresaka ao anatin'ny tontolon-kevitry ny faminaniana koa ny fampirisihana (1 Kôr. 14:31). Loharanon'ny faherezana sy fanantenana ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana ao anatin'ny fotoan-tsarotra sy ny fanenjehana.

"Tompo, Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany" no anoritsoritana an'i Jesosy ao amin'ny Apôk. 22:6, ary "mahatoky sady marina" ny teniny. Mazava loatra, na inona na inona avy amin'ny mpanompon'Andriamanitra, rehefa miteny amin'ny anaran'Andriamanitra izy ireo, dia ho "mahatoky sady marina" koa izany. Ao anatin'ity tontolo izay tsy misy na inona na inona firy azo itokiana ity, dia mahazo matoky tokoa izay lazain'ireo mpaminanin'i Jehovah isika, indrindra izay voalaza ao amin'ny Teniny, izay fahefana faratampony ho antsika.

Alarobia 21 OKTOBRA 2026 - IREO MPAMINANIVAVY SY ZATOVO MPITANDRINA, MPIARA-MIASA

IREO MPAMINANIVAVY SY ZATOVO MPITANDRINA, MPIARA-MIASA

Vakio ny Lio. 2:36-38 ary ny Asa. 21:9. Inona no ambaran'ireo amintsika momba ireo vehivavy mpaminany?

 

 

Tamin'ny andron'ny TT dia niantso lehilahy sy vehivavy hitondra ny hafany Andriamanitra. Misy porofo mazava ny amin'ny fisian'ireo vehivavy mpaminany tamin'ny andron'ny TV. I Ana no voalohany nantsoina hoe "mpaminanivavy" ao amin'ny TV. Voalaza fa "nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman-alina izy. Ary (...) nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy (...)" - Lio. 2:37,38.

Voalaza ao amin'ny Asa. 21:9 fa "nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany" i Filipo. Ireo mpahay tantaran'ny Testamenta Vaovao, toa an'i Eusèbe, dia nahita lahatsoratra nosoratana tatỳ aoriana izay milaza ny toerana mety ho nonenan'izy ireo sy ny nandevenana azy. Na ahoana na ahoana, vehivavy mpaminany, izay azo antoka fa zatovovavy, nanana ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana, no hitantsika eto. Tsy fantatsika marina ny faminaniana nambaran'izy ireo na ny velaran'ny asany. Ny fantatsika momba ireo zatovovavy nanana ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana ireo kosa dia ity: tsy nampidirina ho isan'ny Baiboly ny teny faminaniana nataony. Misy mpaminany marina maro hafa koa toa azy ireo.

Ankoatra ireo mpaminanivavy dia nisy mpitandrina tanora niara-niasa akaiky tamin'ireo apostoly. Nanofana mpitarika tanora ho amin'ny fanompoana ireo apostoly. I Paoly, ohatra, dia nilaza momba an'i Timoty hoe: "tena zanako amin'ny finoana" - 1 Tim. 1:2 (jereo koa ny 1 Tim. 4:12). Nampianarin'i Paoly an'i Timoty ireo fahalalana fototra momba ny fanompoana amin'ny maha mpitandrina. Hoy izy momba ny fiantsoana azy: "Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo" - 1 Tim. 1:18.

"Tena zanako araka ny finoana iombonantsika" no ilazan'i Paoly an'i Titosy ao amin'ny Tit. 1:4. Nomen'i Paoly andraikitra i Titosy hanendry mpitarika ho an'ireo mpino tany Kreta, izay fiangonana feno olana. Nanome torohevitra ara-panahy ho an'i Titosy zatovo izy mikasika ny fomba hanatanterahana izany andraikitra lehibe izany, ary avy eo nofaranany hoe: "Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao." - Tit. 2:15.

Na tanora, na antitra, na lehilahy, na vehivavy — isika rehetra dia samy manana anjara azo tanterahina ho an'ny asan'Andriamanitra. Inona no anjaranao, ary ahoana no ahafahanao manao mihoatra noho izany aza?

Alakamisy 22OKTOBRA 2026 - IREO MPAMINANY SANDOKA AO AMIN'NY TV

IREO MPAMINANY SANDOKA AO AMIN'NY TV

Vakio ny Mat. 24:23,24. Inona no fampitandremana omen'i Jesosy antsika eto? Nahoana no tokony horaisintsika am-po sy amim-pahamatorana izany fampitandremana izany?

 

 

Tsy mbola nanao fanambarana mazava mihoatra noho izao i Jesosy: "Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny." - Mat. 24:24.

Azo inoana fa handresy lahatra tokoa ny fitaka ampitandreman'i Jesosy antsika eto, satria miaraka amin'ny "famantarana lehibe sy fahagagana" izany. Tsy voatery ho porofon'ny fiasan'Andriamanitra velively ny tranga vokatry ny hery mihoatra noho ny an'ny olombelona, na mandresy lahatra toy inona aza ny fisehony. Tsy olombelona ny fahavalontsika. Mampitandrina antsika i Paoly: "Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra." - Efes. 6:12. Ary miasa amin'ny alalan'ny mpaminany sandoka ireo fanahy ratsy ireo.

Raha ny marina dia tsy zava-baovao ny mpaminany sandoka. Resahina ao amin'ny TV ny momba ireo mpaminany sandoka tamin'ny andron'ny TT (Lio. 6:26). Ampitahaina amin'ny "amboadia" manao "fitafian'ny ondry" ny mpaminany sandoka ao amin'ny TV - Mat. 7:15, ary ambara amintsika hoe: "Ny voany no hahafantaranareo azy" - Mat. 7:16.

Ny mamitaka no tena asan'izy ireo (Mat. 7:17-20). I Jesosy mihitsy no nilaza fa "hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro" - Mat. 24:11, ary "raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny" - Mat. 24:24 (jereo koa ny Mar. 13:22, 1 Jao. 4:1).

Araka ny Efes. 6:10-18, ahoana no ahafahantsika miaro tena mba tsy ho voafitaka?

 

 

Ny fiainana amin'ny finoana, ny fitafiana ny "rariny ho fiarovan-tratra", ny fisikinana ny "fahamarinana", miaraka amin'ny fileferana eo ambanin'ny fitarihan'ny Fanahy Masina amin'ny alalan'ny vavaka, ary ny fiorenana mafy amin'ny Teniny — ireo no fomba ahazoantsika miaro ny tenantsika amin'izay rehetra manao izay hahavery antsika ara-panahy sy ara-teolojia.

Mitafy ny fiadiana rehetra ve ianao? Inona no azonao atao mba hahatonga anao ho voaro kokoa manoloana ireo fitaka mameno izao tontolo izao?

Zoma 23 OKTOBRA 2026 MANAO AN'I JESOSY SY NY TENINY HO IVO

MANAO AN'I JESOSY SY NY TENINY HO IVO

Araka ny efa hitantsika dia miantso mpaminany amin'ny fotoana voafaritra sy manome azy ireo asa manan-danja hotanterahina Andriamanitra. Ny tena asan'izy ireo dia ny mitarika ny olona ho amin'ny fahalalana an'Andriamanitra sy ho amin'ny fifandraisana mahatoky Aminy. Araka izany tokoa ny fiainan'i Ellen G. White. Ireto roa ireto no tena nifantohan'ny asa fanompoany: ny mitarika ny olona ho eo amin'i Jesosy sy ny mampiseho aminy ny Teniny — dia ny Baiboly.

Nanam-pitiavana mafana an'i Jesosy i Ellen G. White nandritra ny fiainany manontolo, ary faniriany ny hizara ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny hafa. Ny andian-boky dimy malaza nosoratany, "The Conflict of the Ages" (izany hoe, ny andiam-boky: Patriarika sy mpaminany, Mpaminany sy mpanjaka, Ilay fitiavana mandresy, Vavolombelona mahery, Hery mifanandrina), dia manomboka sy mifarana amin'ny teny hoe "Andriamanitra dia fitiavana." Ao amin'ny boky "Ny Dia ho eo amin'i Kristy", izay azo lazaina ho boky malaza indrindra nosoratany, dia hoy izy: "Ny fitomboantsika amin'ny fahasoavana sy ny fifaliantsika, ary ny soa mety ho vitantsika, dia samy miankina amin'ny fikambanantsika amin'i Kristy avokoa. Noho ny firaisantsika aminy isan'andro sy isan'ora — eny, noho ny itoerantsika ao Aminy — no itomboantsika amin'ny fahasoavana. Tsy Tompon'ny finoantsika ihany Izy, fa Mpanefa azy koa." - DHK, t. 80.

Nandritra ireo taona 1890, raha mbola teo am-panoratana ny "Ilay fitiavana mandresy" izy, dia nanoratra tao amin'ny diariny hoe: "Tohina lalina ny foko rehefa manoratra mikasika ny fiainan'i Kristy aho. Hadinoko aza indraindray ny miaina araka ny tokony ho izy. Tsy zakako ny hamafin'ny fihetsehampo ato anatiko rehefa misaintsaina izay niaretan'i Kristy teto amin'izao tontolo izao aho." - Ms, 70, 1897. Tian'i Ellen G. White tokoa ny niresaka momba an'i Jesosy.

Ny Baiboly no ivo faharoa nifantohan'ny asa fanompoan'i Ellen White. Toy izao no lazainy: ny asa sorany dia "fahazavana kely" mitondra ny olona ho amin'ny "fahazavana lehibe kokoa" — dia ny Baiboly (SIM, b. 3, t. 29). Nampirisika ny olona hamaky ny Soratra Masina mandrakariva izy, fa ao no anambaran'Andriamanitra ny toetrany be fitiavana sy ny drafi-panavotana. Araka ny nolazainy tany am-piandohan'ny asa fanompoany hoe: "Ny tenin'Andriamanitra, ry mpamaky malala, no ampirisihiko hataonareo ho fitsipiky ny finoanareo sy ny fiainanareo." - SIM, b. 3, t. 30.

Nanoratra toy izao izy taona maro tatỳ aoriana: "Fanirian'ny Tompo ny handinihanao ny Baibolinao. Tsy nanome fahazavana fanampiny ho solon'ny Teniny Izy. (...) Raha hanina sy tsakotsakoina [ny Teniny], dia toy ny rà manome aina ny fanahy. Koa dia ho hita ho toy ny fahazavana mamirapiratra ao anatin'ny haizina ny asa tsara." - Letter 130, 1901.

Nino koa i Ellen G. White fa izay rehetra milaza ho mpaminanin'i Kristy dia tsy maintsy "hampianatra izay efa nampianarin'i Kristy (...). Izay nolazainy, tsy Izy tenany fotsiny, fa izay tamin'ny alalan'ny mpaminany sy ny mpampianatra ao amin'ny Testamenta Taloha, dia voafaoka eto. Any ivelany ny fampianaran'olombelona." - IFM, t. 885.

Nataon'i Ellen G. White ho ivon'ny fiainany amin'ny maha Kristianina azy i Jesosy sy ny Soratra Masina. Ho hitantsika amin'ny Zoma manaraka ny fomba fijeriny momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra.

Famintinana ny Lesona Sekoly Sabata Lehibe miaraka amin'ny Hopefy Radio

Lesona 4 Q 4 2026 Ireo Mpaminaninny Testamenta Vaovao Dr Jean Jacques A Mixdown Mp 3

Audio – 23.1 MB 2 downloads

Lesona 3 Q 4 2026 Ireo Mpaminaninny Testamenta Taloha Dr Benoit Rakotovao Mixdown Mp 3

Audio – 27.5 MB 9 downloads

Lesona 2 Q 4 2026 Fiantsoana Ho Mpaminany Mixdown 1 Mp 3

Audio – 21.7 MB 25 downloads

Lesona 1 Q 4 2026 Miteny Ny Mpamorona Dr Benoit Rakotovao Mixdown Mp 3

Audio – 24.6 MB 27 downloads

Tahiry MP3 ny Lesona lasa:

© General Conference of Seventh-day Adventists®


NY TANTARAN'NY NIAINAN'I JESOSY KRISTY TETO AN-TANY         E.G WHITE

(Document ilaina hanomananao ny lesona SS na hanomananao toriteny)

Fonon'ny Boky Ny Fijalian'i Kristy

Ny Fijaliani Kristy Mg Pdf

PDF – 4.6 MB 479 downloads

LESONA SEKOLY SABATA TANORA ZOKINY

© General Conference of Seventh-day Adventists®


ADULT SABBATH SCHOOL

© General Conference of Seventh-day Adventists®


Hope Sabbath School

Click to watch Hope Sabbath School TV

Click the image to see all the ressources: Lesson reading, Video, Audio, PDF, PPT, Mission story and video.

ADVENTIST MISSION 

Click the Bold title to watch movie about Adventist Mission this next Sabbath.

Add comment

Comments

There are no comments yet.

If you would like to leave us any feedback, please email us at: info@fanantenanahoanao.org